Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Marsa, 2020
Tapitra ny Ebola any RD Congo fa manomboka ny coronavirus
Miatrika ny tranga COVID-19 voalohany i RD Congo ankehitriny raha nanambara ny fiafaran'ny Ebola. Moa ve hanampy amin'ny ady amin'ny valanaretina coronavirus ny lesona noraisina tamin'ny Ebola ?
Miatrika ny trangana COVID-19 voalohany tamin'ny alàlan'ny fanakatonana vonjimaika ny sisintaniny i Bhutan
Nahatonga ny governemanta hametraka ny famerana ny fidiran'ny mpizaha tany rehetra mandritra ny roa herinandro ny tranga COVID-19 voamarina voalohany tany Bhutan izay nentin'ny mpizaha tany Amerikana avy any India.
Milazalaza ny fihoaram-pefy any am-ponjan'i Vietnam ny renin'ny bilaogera migadra Le Anh Hung
Vao nitafatafa tamin'ny The 88 Project (Tetikasa 88) Rtoa Tran Thi Niem niresahany ny momba an'i Le Anh Hung, zananilahy bilaogera migadra, izay avezivezy any amin'ny toeram-pitsaboana marary saina hatramin'ny nisamborana azy tamin'ny taona 2013.
Voampanga ho mamoaka sary mamoafady ilay mpivarotra niakanjo ‘manaitaitra’ tao amin'ny Facebook tany Kambodza
"Anisan'ny antony fototra amin'ny herisetra ary tsy manafoana izany ka tokony holavina ny fanasaziana ny vehivavy amin'ny safidiny amin'ny fitafiany."
Fanakatonana ny Aterineto taona 2019: Mbola mijanona ho lohalaharana amin'ny lisitr'ireo ratsy indrindra i India
Tamin'ny taona 2019, tao India fotsiny no nahitana ny fanapatapahana ny fidirana amin'ny aterineto in-121, hoy ny tatitra vaovao avy amin'ny Access Now.
‘Mirehitra i Delhi': 17 no maty ary an-jatony no naratra nandritra ny fifandonana tamin'ny hetsika manohitra ny lalànan'ny zom-pirenena
Any Dehli Avaratra Atsinanana, niteraka fahafatesan'ny sivily miisa 17 farafahakeliny ny fifandonana mahery vaika teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana mpanohana sy mpanohitra ny lalànan'ny zom-pirenena. 150 mahery ny olona naratra.
Mitombo noho ny fanaovana tatitry ny ady any avaratr'i Mozambika ny fanafihana ireo mpanao gazety
There has been an alarming increase in the number of threats made against journalists who are covering the armed attacks in the northern province of Cabo Delgado. Mampiahiahy ny fitomboan'ny fanafihana atao amin'ny mpanao gazety izay mitatitra ny fanafihana mitam-piadiana any amin'ny faritany avaratr'i Cabo Delgado.
Lalao Olaimpika, sambany nandefa “gymnaste” i Trinité-et-Tobago saingy tsy ilay noeritreretinao
Namotika ny nofinofy olaimpikan'i Thema Williams ny fanambaràna vao haingana nataon'ny Kaomity Olaimpika ao Trinité-sy-Tobago.
Tohina amin'ny fahitana toeram-piadiana ankizy ao Skopje ny Makedoniana
Asehon'ireo lahatsary ny fihorakoraky ny olon-dehibe mahita ireo zazalahy mbola tokony hianatra nefa miady.
Fiainana an-jorombala: Ny vahoaka Lyuli ao Ozbekistan
Nilaza i Aleksandr Barkovsky, mpaka sart niasa niaraka tamin'ny vondrom-piaraha-monina, fa tsy mahalala na inona na inona momba ireo Lyuli mpifanolo-bodirindrina aminy ny Ozbeka.