Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Desambra, 2022
Loza mitatao no miandry ny mpanao gazety Myanmar isaky ny mihetsika
"Maro amin'ireo mpanao gazety no niafina na nandositra tany ivelany tsy nisy tohana ara-dalàna na ara-bola ary ireo famoaham-baovao mpomba ny miaramila ihany no afaka miasa an-karihary eto amin'ny firenena ankehitriny."
27 taona izao ny Renin'ny Asabotsy any Torkia, ary mbola mitady ny rariny sy ny fanakatonana
Nandritra ny fisiany, dia niatrika herisetran’ny polisy ny Renim-pianakaviana Asabotsy (Saturday Mothers). Vao haingana indrindra tamin'ny volana Aogositra 2022, raha nitazona mpikambana 14 tao amin'ny vondrona ny polisy.
Mpikatroka ara-politika malaza nosamborin'i Azerbaijan alohan'ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Zon'olombelona
Miatrika sazy telo taona an-tranomaizina ilay mpikatroka malaza Bakhtiyar Hajiyev raha hita fa meloka amin'ny fiampangana roa samy hafa — asam-boto mpisetrasetra sy fanamavoana ny fitsarana. Milaza ireo mpikatroka fa misy ambadika politika ny fisamborana.
Fanamarinana ny zavamisy misoko amin'ny toedraharaha sôsialy sy pôlitika ao India: ny raharaha Zubair
Maneho ny zavamisy misoko ao anatin'ny fiarahamonina indiàna ireo fanehoankevitra sy fampiasàna ankolaka ny fiteny sy fanosorana ataon'ny / na atao an'ireo mpisehatra samihafa ao anatin'ny rafi-piarahamonina indiàna
Undertones ao Afghanistan: ‘Taliban 2.0,’ Vehivavy, Fifaharana
Zarain'ny mpikaroka ny fitantarana tena matanjaka indrindra nivezivezy tao Afghanistan tamin'ity taona ity
Milofo miaro ny angon-drakitra ao Indonezia ny mpikatroka
".....mbola lavitra ny lalana hanatrarana fiarovana angon-drakitra matanjaka kokoa ao Indonezia."
Ny fambaboana fanjakana tao Afrika Atsimo, nataon'ny fianakaviana Gupta: lesona momba ny hery pôlitika miasa mangina
Niteraka ampahany manankarena tafahoatra ao anatin'ny fiarahamonina ny fitomboan'ny tsy fitoviana sy ny harena tsy voafehy. Miaraka amin'io vola io ny hery miasa mangina (dindo) mety hitera-doza ho an'ny fahitsian'ny pôlitika anatiny sy ny fiandrianam-pirenena.
Basy sy Kung Fu: Samy manampy hampitao fiadiana ny polisin'ny Nosy Solomona na i Aostralia na i Shina
"Amin'izao vanim-potoanan'ny fifaninanana ara-jeopolitika matanjaka dia matanjaka izao, mety hiafara amin'ny zava-mampidi-doza io fanomezana fitaovam-piadiana ny polisy io rahatrizay."
Nepal: fifidianana nisy fandraisana anjaran'ireo antoko politika nampangain'ny vahoaka ho namono ny havany, zara raha nisy olona nandeha nifidy
Ny 20 Novambra, nilahatra handatsa-bato ireo Nepaley manerana ny firenena, ka 11.453 no fitambaran'ireo mpirotsaka hifaninana ho amina seza 825, 275 ho ao amin'ny parlemanta ary 550 any amin'ireo antenimieram-paritra.