Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Aogositra, 2010
Filipina: “Hong Kong, mifona izahay tamin'ny zava-nitranga”
Ny fangalana ireo takalon'aina avy any Hong Kong tany Manila tamin'ny Alatsinainy lasa teo, izay nampifoha ny fahasorenana maneran-tany mikasika ny fandatsahan-drà, dia nahatonga ireo Filipiana hiala tsiny tamin'ny alalan'ny pejy tao amin'ny Facebook.
Pakistana: Manao hetsika ireo mponina amin'ny aterineto hanampiana ireo tra-boin'ny tondra-drano
Naka ain'olona 1600 mahery ny tondra-drano a farany teo tany Pakistan ary nahakasika vahoaka manodidina ny 20 tapitrisa izay tena anatin'ny filàna fanampiana mihitsy amin'izao. Mitety ireo faritra mamakivaky an'i Pakistana ireo tanora Pakistane mponina amin'ny aterineto mizara ireo fanampiana ary maneho ireo hetsika ataony ho hita mivantana amin'ireo bilaoginy, sy ny Twitter, ireo sary sy ireo horonantsary.
Madagasikara: Ny famotorana miafina niainga hatrany an'ala momba ny raharaha-na andramena (bolabola)
Iray amin'ny vokatry ny faharetan'ny krizy politika eto Madagasikara ny fiantraikan'ny sazy mihatra amin'ny tontolo iainana, indrindra fa amin'ny ala voajanahary noho ny vola betsaka azo noho ny fitrandrahana tsy...
India: Fanarahamaso ny fandikàna lalàm-pifamoivoizana amin'ny alalan'ny Facebook
Ny fepetra vaovao noraisin'ny Mpitandro ny Fifamoivoizana any Delhi dia mampisongadina ireo olan'ny fandraisan'ny olom-pirenena anjara sy ny fampiasàn'ny governemanta ny media sosialy any India.
Andron'ny fahaleovantena nilamindamina ny an'i Pakistana
Raha mahita ny fijaliana rehetra sy ny haizina mandrakotra ny fiainan'ny Pakistane tsotra amin'izao fotoana izao, tsy mahagaga mihitsy raha mangingina ny andron'ny fahaleovantena tamin'ity taona ity. Milaza ireo mpitoraka bilaogy fa mbola matanjaka tsara ny firenena hahafahany miarina indray.
Afghanistan : saripikan'ny mpamaham-bolongana ivelan'ny ady sy ny Wikileaks
Amin'ny alalan'ny fanehoana an-tsary ny endrika isan-karazan'ny fireneny no amoahan'ny mpamaham-bolongatsary Afghan izany Afghanistan ankoatra ny ady sy ny Wikileaks. Nasim Fekrat, ilay mpamaham-bolongana Afghan efa nahazo loka no manolotra antsika...
Hongria: Tafatafa miteraka adihevitra niarahana tamin'ny Mpitarika Kaominista teo aloha
Marietta Le dia manaraka ny adihevitry ny vahoaka momba ny lasan'i Hongria talohan'ny 1989, nahazo aingam-panahy tamina horonantsary fanadihadiana momba an'i Béla Biszku, izay Minisitry ny Atitany nanomboka tamin'ny 1957 hatramin'ny 1961 ary niandraikitra ireo vola nozaraina hanoherana ireo nandray anjara tamin'ny Fikomiana Hongriana tamin'ny 1956.
Pakistan: Mitombo ny hatezerana manoloana ny tsy firaharahàn'ny Filoha
Mihoatra ny 1500 ny maty taorian'ireny oram-be nisesisesy ireny ka niafara tamina tondra-drano mihitsy tany amin'ireo faritra samihafa tany Pakistana. Anarivony ireo nanjary tsy manan-kialofana ary ny maro hafa kosa mandositra ny hanoanana sy ny fahafatesana.
Bangladesh: Mizara ireo heviny momba ireo orinasa Grameen ireo mpitsidika
Amin'ity fahavaratra ity, mpianatra valo sy mpikambana ao amin'ny sampana mianatra ny Fifehezana ny Fitantanam-bahoaka (MPA) ao amin'ny Anjerimanontolon'ny Kentuky Avaratra (NKU) any Kentucky any Etazonia no mamarana fiofanana any Bangladesh ao amin'ny Banky Grameen. Nanao fitsidihana maro tany izy ireo ary mandrakitra ireo zava-niainany any amin'ny blaoginy tsirairay avy amin'ny alalan'ireo lahatsoratra, sary ary horonantsary.
Rosia: Tanàna sy vohitra maro may

Doro ala sy afo be mivaivay no mandripaka manivatsiva an'i Rosia afovoany ; olona an'arivony no alàna amin'ireo faritra voakasika, ary ny mampalahelo dia, misy tatitra mikasika ireo fahafatesan'olona ( miisa 28 farafahakeliny , hatramin'ny androany ). Tamina tranga maro dia tsizarizary ny fandraisana an-tànana ny ezaka famonoana afo, ka nisafidy ny hihetsika amin'ny herin'ny tenany ireo mponina eo an-toerana sy hiaro ireo tanàna sy vohitra manodidina miaraka amin'izay fitaovana mety hananany eo am-pelatanany.