Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Desambra, 2011
Ejipta: Filaharambe Amin'ny Fifidianana Ejiptiana Dingana Faharoan'ny
Ny dingana faharoan'ny fifidianana parlemantera any Ejipta dia nanomboka androany (14/12/2011), miaraka amin'ny fandehanan'ireo Ejiptiana avy any amin'ireo faritany sivy ho any amin'ny biraom-pifidianana.
Shina: Fitroarana Tao Guangdong, Ao Haimen Ankehitriny
Hatramin'izay nametrahana ny tananàn'i Wukan ao amin'ny faritanin'i Guangdong eo ambany fanaraha-maso taorian'ny fanesorana ny Antoko sy ireo manampahefana tao amin'ny governemanta izay, dia farafahakeliny tanàna roa mifanakaiky no nanao hetsika manokana. Ny vao haingana indrindra izao dia ilay nitranga androany, izay voalaza fa nahitàna olona 30.000 nibahana sampanan-dalana iray be mpivezivezy .
Iran: Mpiasa Tsy Nahazo Karama Nitoraka Kiraro Ny Filoha Ahmadinejad
Mpamaha bolongana marobe no naneso ilay vaovao mikasika ny Filohan'i Iran Mahmoud Ahamadinejad, kinendrin'ilay mpitoraka kiraro tezitra mafy, nandritra ny kabary nataony tao avaratr'i Sari, tamin'ny 12 desambra 2011. Tsy nahavoa...
Iran: Aiza ny Mpiara-mianatra Amiko?
Maro ireo seza banga ao amin'ny oniversite ao Iran, sezan'ireo mpianatra izay tsy hita popoka ankehitriny. Tsy afaka nandia ny fianarana ny sasany noho ny resa-pinoana, toy ny mpikambana ao...
Polonina: Miresaka Momba Ny Tolo-dalàna Hampidirana Indray Ny Fanamelohana Ho Faty Ireo Mpiondana Aterineto
Ilay mpitarika ny antoko mpanohitra lehibe indrindra ao Polonina dia nanambara fa mankasitraka ny fampidirana indray ny fanamelohana ho faty ho an'ireo "heloka bevava mahatsiravina." Ary na dia ny filazàna faran'izay bitika momba izany fomba fijery ny sazy faratampony izany aza dia mety horaisina ho làlana iray enti-mandrombaka mpifidy, kanefa dia niala àny koa adihevitra iray goavambe mikasika ilay lohahevitra. Anna Gotowska no mitatitra.
Zambia: Miezaka mafy Hiady Amin'ny Kolikoly ny Mpiserasera
Efa nisy fotoana nanakoako tao Zambia ny hiaka mitaky fanovana; ankehitriny ny antokon'i Michael Sata, Tia Tanindrazana (TT) no nandrava ny fahefana nanjaka ampolony taona, ny antoko Hetsika ho an'ny Demokrasian'ny Antoko-Maro (HDAM),...
Zambia : Nahatonga Resabe Ilay Fiara Raitra Vaovao An'ny Zanaky ny Filoha
Ny ampamoaka nataon'ilay Tale mpanantanteraka ny Komitim-bahoaka Gregory Chifire izay nilaza fa ny zanaky ny Filoha Mulenga Sata dia vao nahazo fiara roa lafo vidy dia nahatonga fanehoan-kevitra nifamahofaho be teo amin'ireo mponina Zambiana.
Madagasikara: Adihevitra Momba ny Fampiasam-bola Mivantana
Raha mbola eo ampitadiavana ny vahaolana ialana amin'ny krizy politika miitatra i Madagasikara, miresaka ny lanjan'ny Fampiasam-bola mivantana (FDI) kosa ny bilaogera malagasy. Maro ny Malagasy no mihevitra fa manana harena voajanahary, tahaka ny firenena Afrikana hafa, i Madagasikara, saingy potiky ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fifanakalozam-barotra misy fanambakana.
Liberia:Nomena Anjara Masoandro Indray Ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazety
Namome fotoana kely nisehoan'ny rariny ny fitsarana mikasika ny fanakatonana ny haino aman-jery nahitana fifanoheran-kevitra tany Liberia. Nakaton'ny governemanta Liberiana ny tranon'ny haino aman-jery miisa telo (Love FM/TV, Power FM/TV ary ny Kings FM) tamin'ny 7 novambra 2011 noho ny fitorohana azy ireo no nanely hafatra fifankahalana toa hitarika herisetra.
Rosia: Fitaovana Fakàna Horonantsary Miafina Nampiseho Fampielezan-kevitra Tsy Ara-dalàna Tao An-tsekoly.

Ny zava-niseho nateraky ny fakàna sary miafina tao an-tsekoly tany Krasnoyarsk, Siberia dia naneho olana manan-danja any amin'ny sekoly Rosiana: ny mpampianatra manohana ny antoko eo amin'ny fitondrana, ny United Russia.