Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Novambra, 2019
Melaneziàna mpanao gazety, miampanga ny loza mitatao tsy mitsaha-mitombo amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety
"Tsy azon'ny governemanta melaneziàna ny mody manaja ireo fifanarahana iraisampirenena sy ireo firotsahany amin'ny resaka fahalalahana demaokratika no sady, mandritra izany fotoana izany, manome baiko hametrahana hisatra amin'ny zon'ireo mpanao gazety mba tsy ho afaka hiteny.."
Anatin'ny fibahanana ny aterineto ao Kashmir: Tatitra an-dahatsary niarahana tamin'ireo Kashmiri mpianatra idonan'ilay krizy
Anatin'ny fanapahana tanteraka ny aterineto ao amin'ny faritra no hiatrehan'ireo 48.000 mpianatra amin'ny kolejy ao Kashmir ny fanadinam-panjakana
Fomba fijerin'ny Kashmirita iray manokana teraka tany Nepal ny krizy any Kashmir
Nivoaka tao amin'ny Oniversiten'i Kashmir i Aquib ary mipetraka sy manao raharaham-barotra ao Nepal. Niresaka tamin'i Aquib ny Global Voices Lingua Nepaley mba hanotany ny heviny momba ny antony nanafoanan'i India ny Adinin-dalàna faha 370 izay manome ny zo manokana ho an'ireo Kashmiris.
Vondrompiarahamonina sivily miisa 130 miantso ny tafika hanaisotra ny fiampangàna ny olontsotra
"Mpiasan'ny governemanta ireo miaramila. Raha manao ny tsy mety ry zareo, zon'ny olompirenena ny milaza izany. Zon'ny olompirenena ny mampiakatra ny feony”
Fihetsiketsehana ao Iran: Tifitra bala sy fanakatonana aterineto
Mihorohoro izahay amin'ny tatitra fa mpanao fihetsiketsehana am-polony no maty tany #Iran, an-jatony no naratra ary mihoatra ny 1000 nosamborina nanomboka tamin'ny zoma. Gaga izahay fa nakaton'ny manampahefana ny aterineto mba hanakanana ny tati-baovao momba ny famoretana mahery setra ataon'izy ireo. Manao fanadihadiana izahay ankehitriny.
Mamaly ny lehiben'ny tafika Thailandey ilay mpikatroka Hong Kong Joshua Wong
Manome vaovao farany momba ny fihetsiketsehana any Hong Kong sy mamaly ireo fiampangana nataon'ny jeneraly Apirat Kongsompong, lehiben'ny tafika Thailandey i Joshua Wong.
Nandao an'i Arabia Saodita mitondra tantara manafintohina marobe ireo Bangladeshita mpiasa an-trano mpifindra monina
Vehivavy mpiasa an-trano 900 no niverina nody avy any Arabia Saodita tamin'ny taona 2019, sady miampanga ny mpampiasa azy ireo noho ny fanararaotana ara-batana sy ara-nofo ary efa 100 mahery no namoy ny ainy.
Karaiba-Etazonia : Fa mba aiza no misy an'i Allen Stanford ?
Hatraiza ireo mpanao politika any amintsika no ho voasaringotra anatin'ireny andrim-panjakana marary ireny ary indrindra indrindra, iza no mitantana azy ireny ? Raha tena misy tokoa ny fifandraisany amin'ireo mpanao politika any amintsika, hatraiza no fiantraikan'izany amin'ireo fepetra sy fanapahankevitra politika ?
Nilaza ilay mpanao gazety Vanuatu fa nofoanana ny fahazoan-dàlany miasa noho ny fitsikerany ny governemanta
"Hisalasala ny olona ary hiteny karazan-javatra maro, kanefa toy izao ihany no hiafarany hoe: Niteny aho, ary nosaziana noho ny filazako ny marina."
Ao Pakistan, takian'ny diabe Azadi ny hifaranan'ny fitondran'ny PM Khan
Fahabetsahan'ny olona, fahatapahan'ny aterineto, fanohanana avy amin'ny antoko mpanohitra, fankahalàna Qadianis, fihofahofan'ny saina Taliban, fanakiviana ny vehviavy tsy handray anjara no anisan'ny mampiavaka ny diabe Azadi/dharna tanterahana ao Islamabad.