Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Oktobra, 2021
Niala tamin'ny fifanarahana niarahana tamin'ny mpanohitra sy ny Vondrona Eoropeana ny antoko Georgian Dream
Nisintaka tamin'ny fifanarahana teo amin'ny governemanta sy ny mpanohitra ny antoko eo amin'ny fitondrana Georgian Dream.
An'arivony mivory ao Tbilisi mitaky ny hanafahana ilay filoha teo aloha nogadraina
Ao an-drenivohitra Tbilisi, Georgia, mponina an'arivony no mivory eo amin'ny kianja afovoany tamin'ny 14 Oktobra, ho fanohanana ny filoha teo aloha Mikheil Saakashvili, izay tao anatin'ny faha-14 andro nanaovany fitokonana tsy hanendry hanina ao am-ponja.
Nanatontosa fifidianana i Zeorzia, nahazo ny maro an'isa ny antoko Georgia Dream
Tao anatin'ny fihenjanana ara-politika sy ny fisaraham-bazana no nanatontosan'i Zeorzia fifidianana ny 2 Oktobra lasa teo, izay hita fa fitsapana lehibe ho an'ny antoko Georgian Dream.
Vonona ‘handrindra ny fifandraisana’ i Tiorka sy i Armenia efa ho 30 taona aty aoriana
Efa ho telopolo taona taty aoriana, mieritreritra ny hanokatra ny sisin-taniny miaraka amin'i Armenia i Torkia. Nikatona nanomboka ny taona 1993 ny sisintany.
Aferam-pasipaorom-bakisiny sandoka tratra tao Armenia
Tombanan'ireo manampahefana fa olona maherin'ny 700 no nividy ireo taratasim-bakisiny sandoka tao Gyumri — tanàna faharoa lehibe indrindra ao Armenia.
Tatitra vaovao momba ny fironan'ny fahalalahan'ny aterineto manerantany any Torkia sy Kaokazy atsimo
Raha "misy fahalalahana" ny laharana misy an'i Zeorzia sy i Armenia tamin'ny tatitra tamin'ity taona ity, i Torkia sy i Azerbaijan kosa dia mitana ny laharana "tsy misy fahalalahana" noho ny rivo-piainana sarotra manodidina ny zo nomerika (ankihy) sy ny fahalalahana.
Ny aorian'ny #EndSARS: Ny fandraràna ny Twitter sy ny dikan'izany ho an'ny tanora Nizeriana
Nanaporofo feno ny vaikan'ny media sosialy raha ampiasaina hanandratana ny feo ny hetsika nanerana ny firenena #EndSARS hanoherana ny herisetran'ny polisy, hetsika iray izay toy ny tadio tao amin'ny firenena tamin'ny volana Oktobra 2020.
Ao Torkia, olompirenena iray migadra noho ny fanompana ny filoham-pirenena
Hatramin'ny naha-voafidy azy ho filoha tamin'ny taona 2014, manodidina ny "100.000 ny olona voampanga ho manaratsy ny filoha," sy manitsakitsaka ny andininy faha-299 amin'ny fehezan-dalàna famaizana
Fifandraisana eo amin'i Tiorkia sy Rosia: “Sarotra be”
Ny 29 Septambra, nihaona tao amin'ny tananan'i Sochi ao amin'ny Ranomasina Mainty Rosiàna ireo mpitarika ny firenena roa tonta, mba hiresaka ny ara-toekarena sy ireo fifanarahana stratejika ary ny fisian'izy ireo any amin'ireo faritra misy fifandonana.