Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Aogositra, 2019
Manontany ireo bilaogera Ejyptiana hoe: NAHOANA?
Toa ny ankamaroan'ny lahatsoratra avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Ejipsiana no miezaka mitady valiny amin'ireo nahoana sy ahoana marobe ao an-dohan'izy ireo.
Taorian'ny fihetsiketsehana roa herinandro maninjitra, manery ny governora hiala ny Pôrtô Rikana
Ny sekreteran'ny Fitsarana, Wanda Vázquez no ho governora vehivavy faharoa
Ireo ankizy tsy manana taratasy ara-dalàna ao Iran
"Hita amin'ny tantaran'ny Repoblika Islamika ny fanavakavaham-poko sy ny antokom-pinoana vitsy an'isa ka toa niniana natao ny tsy fisian'ny fotodrafitrasa, ny tsy firaharahiana ara-toekarena ary ny halalin'ny fahantrana..."
Mampiasa media sosialy i Bangladesh mba hiadiana amin'ny valan'aretina dengue
Noho ny tsy fisian'ny fisantarana andraikitra sy ny fanentanana avy amin'ny fanjakana, miditra media sosialy ny vahoaka mba hampianatra sy hanao fanentanana momba ny tazo Dengue.
Andiana lahatsary fanadihadiana maro manasongadina ny ady atrehan'ireo vehivavy mpikatroka any Vietnam
"Ao anatin'ny fitondrana jadona iray, tsy misy manana fahalalahana, indrindra fa ny vehivavy, ambony be raha oharina amin'ny lehilahy ny tsy fahampian'ny fahalalahan'izy ireo."
Nipoitra ny tantaram-pifandraisan'ny governemanta sy ireo lehiben'ny jiolahy ao Trinité sy Tobago
A local newspaper exposé shows how government contracts have contributed to the flourishing of gang culture in Trinidad and Tobago. Nampiseho ny fomba nahatonga ny fifanarahan'ny governemanta nampiroborobo ny kolontsain'ny jiolahy ao Trinité sy Tobago ny fanadihadiana nataon'ny gazety tao an-toerana.
Palestina: Niteraka fanehoan-kevitra teo amin'ireo bilaogera ny daroka an'habakabaka Israeliana (2008)
Taorian'ny fiafaràn'ny fampitsaharana ady teo amin'i Israely sy ny Hamas, dia nitombo ny herisetra sy ny fifandonana teo amin'i Israely sy i Gaza. Namely an'i Gaza i Isiraely tamin'ny daroka an'habakabaka nahafatesana 210 ary mihamitombo izany isan'ny maty ao Gaza izany.
Tanzaniana mpanora-baovao miatrika fiampangana foroporonina rehefa nalaina an-keriny sy nohazonina
Nanoratra tsikera amin'ny fitantanan-draharaha mamoritra entin'ny filoha tanzaniana John Magufuli ilay mpanora-baovao mahaleotena Erick Kabendera. Omaly ny manampahefana niampanga azy amin'ny heloka ara-toekarena, saingy nilaza ny mpitsikera fa fanoratam-baovao ihany no hany "helony".
Nitarika herisetra ny tsahon'ny fanaovana “sorona olombelona” ho an'ny tetezana Padma tany Bangladesh
Valo no olona notanana manerana an'i Bangladesh noho ny fanelezana ny tsaho tao amin'ny Facebook nilaza fa 'mila lohan'olombelona sy ra hatao sorona ho an'ny tsangan'ny tetezana Padma' .
Frantsay noterena hiala tsiny noho ny nanaovany lahatsary mandrabiraby ny fitondra-miaramila Thailandey
"Tsy mira fankahalana firenena iray mihitsy ny fitsikerana ny governemanta sy ny fitondrana. Tiako i Thailandy, fa ny hany tsy tiako dia ny mpanao didijadona sy ny fanonganam-panjakana ataon'ny miaramila."