Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Avrily, 2017

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Avrily, 2017

30 Avrily 2017

Hetsipanoherana Manohitra ny Kolikoly Ao Romania Sy Ny Vesatry ny Henatra

Ny Tetezana - The Bridge

Na rakotry ny henatra manarona ny firenena aza, nandritry ny andro maromaro i Romania dia toerana iray nanainga fanahy, satria nidina an'arabe ny olona ary niaky ny fisian'ny kolikoly miely patrana.

29 Avrily 2017

Nanakana Sehatra Media Sosialy Miisa 22 Tao Kashmir Ny Governemanta Indiana

GV Mpisolovava

"Amin'ny fanehoana ny lafiny hafa amin'ny tantara ao Kashmir, afaka naneho nandritra ny fotoana kely ny hasarotry ny tantara sy ny fifandirana tena sarotra ao Kashmir ny mponina ao an-toerana ."

26 Avrily 2017

Te Hiditra Mora Foana Amin'ny Tahirin'ny Fihaonan'Olon-droa Antserasera Ny Manampahefana Rosiana

GV MpisolovavaAkon'ny RuNet

Manantena hahita fitiavana ao Rosia ve ianao? Raha eny, ary mikasa hampiasa aterineto mba hihaonana amin'ny olona ve ianao, tsy dia an-takonana araka ny antenainao angamba ny tohiny.

24 Avrily 2017

Milaza Amin'ireo Mpiserasera Aterineto Mba Tsy Hanjohy Ireo Mpitsikera Ny Fitondrana Miaramila Ao Amin'ny Media sosialy i Thailandy — Raha Tsy Izany Hiatrika Ny Vokany

GV Mpisolovava

Niroboka lalindalina kokoa ny manampahefana Thailandey tamin'ny famerana ny fahalalahana miteny ho an'ny vahoaka. Taorian'ny fanagadrana olona noho ny zavatra lazain'izy ireo anaty aterineto sy ivelan'ny aterineto, sy ny fanenjehana ireo mpitsikera an-tsesintany, te hanapaka ny fifandraisan'ny olona izy ireo

23 Avrily 2017

Loza Mahatsiravina Tao Sri Lanka, Azo Nosorohana Tanteraka

Taona maro lasa izay, efa nihevitra ny hamongotra ilay toerana fanariana fako ireo manampahefana ary hamadika azy ho “toerana iray mahafinaritra.” Tsy tanteraka mihitsy anefa ity drafitra iray be fangirihana ity, ary ankehitriny dia miatrika ilay tahotra faran'izay ratsy indrindra noeritreretiny ireo mponina ao an-toerana.

20 Avrily 2017

Rosia: Sambany Misy Fampiharana Vahiny Natao Fampitàn-kafatra Nampidiriny Ho Ao Anatin'ny Firaiketana Federaly

GV MpisolovavaAkon'ny RuNet

Sambany hatramin'izay, no nampidiran'ny Roskomnadzor, ilay mpanivana federaly ao Rosia, fampiharana fampitàn-kafatra avy any ivelany ao amin'ny aterineto ho ao amin'ny " firaketana ireo fandrindràna sy fandefasana vaovaony", ny orinasa Soisa Threema.

Ilay Rakitsary Niparitaka Be Nampiseho Kashmiri Mpanao Hetsi-panoherana Nafatotra Amn'ny Jeep-n'ny Miaramila Indiana

Lahatsary avy amin'ny fitsapankevitra momba ny fifidianana vao haingana tany amin'ny fanjakana farany avaratra indrindra any Jammu sy Kashmir, izay nahafatesana mpanao hetsi-panoherana maherin'ny valo ary naharatran'ny mpitandro filaminana Indiana am-polony.

19 Avrily 2017

Indray Andro Izay, Naka an-keriny Ahy Ry Zareo : Sarimiaina Miampanga Ny Fakàna Vehivavy an-keriny ao Kirghizistan Mba ho Vadiana

Sarimiaina mampitaintaina novokarin'i Tatiana Zelenskaïa no mitantara amintsika ny tantaran'ireo vehivavy dimy nalaina an-keriny, fiainana kirghizy dimy.

18 Avrily 2017

Tsy Misy Toerana Ho An'ny Angamba Intsony ao Tiorkia

Samy mandeha samy mitady ry Erdogan sy ny mpanohitra, ary samy tsy misy mikoso-maso.

14 Avrily 2017

Nanakana Ny Zello Fampiasa Talkie-Walkie I Rosia Rehefa Nitokona Ny Mpamily Kamiao

Akon'ny RuNet

Nanambara drafitra hanakanana ny Zello ny mpandrindra ny fampitam-baovao ao Rosia ny alatsinainy teo, fampiasa push-to-talk [tsindrio iresahana] iray amin'ny finday, izay nampiasain'ny mpamily kamiao manao dia lavitra ao Rosia mba handaminana ny hetsi-panoherana tato anatin'ny volana, anisan'izany ny fikarakarana ny fitokonana mandritra ny telo herinandro.