Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Avrily, 2018
India: Ny Fitondran'ireo Taranakà Mpanao Pôlitika
"Rahoviana ny demôkrasia no tsy azo atao hoe demôkrasia? Rehefa tendrena amin'ny fomba tsy demôkratika ny filoha mitondra, ohatra. Rehefa mahakasika ny fandovam-pahefana ny 9/10 amin'ny lalàna."
Feo avy any Zimbaboe-2
Lasa sehatra ho an'ny fipoahan'ny fankahalàna vehivavy voakiana be, izay niseho tao amin'ny parlemantan'i Zimbaboe tamin'ny herinandro lasa teo, ilay adihevitra manodidina ny lalàna vaovao, dia ny Volavolandalàna mikasika ny Herisetra an-Tokatrano izany.
Nepal: Fandriampahalemana Anatin'ny Limby
Tokony nifanatrika noho ny fihaonany an-tampony ny firaisan'ny antoko fito sy ny Maoista tamin'ny volana Septambra, saingy tsy tanteraka izany. Nangataka fotoana fanampiny ny Praiminisitra Girija Koirala. Ankehitriny, tokony amin'ny 08 Ôktôbra no hanaovana ilay adihevitra entina handraisana fanapahankevitra.
Zimbaboe: Mampahafantatra Ilay Hetsipanoheran'ny Sendikà ny DVD Iray Navoaka An-tsokosoko
Nodarohan'ny mpitandro filaminana imbetsaka ireo mpanao fihetsiketsehana, izay nitaky ny famatsiana ARV (fanafody miady amin'ny virosy mivadika) ho fitsaboana ny VIH sy ny fisian'ny karama farany ambany indrindra ary ny fanamarinan-toerana ny vidin'ny entam-barotra fototra sasany.
Rosia: Ny Fomba Fandraisana ireo Zeorziana
Ratsy avokoa ny ankamaroan'ireo vaovao. Toa lasa mivadika resa-pôlitika hatramin'ny fanatanjahantena koa. Azon'i Anna Chakvetadze ao amin'ny foko Zeorziana ny 'Tompondakan'i Kremlin' amin'ny fifaninanana tennis, hoy ny voasoratr'i Sukhumi - manoloanà vahoaka mihiaka eso hoe ''Mandehàna any Zeorzia ry Zeorziana!''
Filipina: Volavolan-dalàna ao amin'ny Kaongresy Hanoherana ny Fampihorohoroana
''Nanamarina ny fanjakana Filipina fa ilaina maika ny fandaniana ilay volavolan-dalàna manohitra ny fampihorohoroana. Naneho ny ahiahiny ny Mpanohitra fa raha toa ka lasa lalàna ilay volavolan-dalàna dia hoararaotin'ireo mpitarika mba hanaporetana ny fanoherana ara-drariny.''
Olona an'arivony no mety ho very asa sy voafindra toerana noho ny drafitry ny governemantan'i Filipina hanakatona ny nosy toeram-pialasasatra Boracay
Manao fanentanana ny mponina ao Boracay ao afovoan'i Filipina, ao amin'ny faritanin'i Aklan mba hanohitra ny drafitry ny governemanta hanakatona sy "hanavao" ara-tontolo iainana ny toeram-pialasasatra malaza manerantany ao amin'ny nosy mandritra ny enim-bolana, no sady eo am-panamboarana casino roa mandritra izany.
Tafika Senegaly: Mampiseho rentirenty ety anoloana, fahoriana kosa any ambadika
Ao anatin'ny hatsikany mivantambantana , manasongadina ny tantara mahatsikaiky momba ny maritranon'ny foiben'ny tafika ao Senegal ny Blog Politique du Senegal mba hijerena lavidavitra kokoa mikasika ny laharam-pahamehana sy ny tetibolan'ny tafika :
Rosia: Olombelona Koa i Kadyrov
Ny 5 Oktobra lasa teo, feno 30 taona i Ramzan Kadyrov Praiminisitra, taona eken'ny lalàna ho hahalasa azy ho filoham-pirenena. Na dia nandà ho tsy nikatsaka io toerana ambony indrindra io aza izy, ireo olona sasantsany mino fa tsy ho ela dia ho tonga eo izy.
#SOSNicaragua: Mpanao fihetsiketsehana 25 sy mpanao gazety iray farafahakeliny no namoy ny ainy tao Nikaragoà, hoy ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona
Mandefa mivantana, misioka sy mandefa bilaogy an-dahatsary momba ny krizy eny ifotony ny Nikaragoàna.