Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Janoary, 2016
Côte d'Ivoire: Ireo Fanamby sy Fotoana Fanararaotan'ireo NTIC
Misokatra ireo vodilanitra vaovao eo amin'ny sehatra maro ao Côte d'Ivoire, miaraka amin'ny fidirana haingan'ireo teknolojia vaovao an'ny fampahalalam-baovao sy ny fifandraisana (NTIC). Hatramin'ny 2012, tetikasa maro no natomboka ka isan'ireo lehibe indrindra amin'izany ny fametrahana ny fibra optika 7.000 km manerana ny firenena iray manontolo.
Tsy Mampahomby an'i Armenia Ny Fanabeazana Nentim-Paharazana Sy Ny Fahalemen'ny Fanaovan-Dalàna Manoloana Ny Herisetra Mihatra Amin'ny Ankizy
Tsy misy miraharaha sy tsy misy mpanao tatitra ny herisetra an-tokantrano mihatra amin'ny ankizy ao Armenia. Misy vondrona mpikatroka iray miezaka manao izay tratrany ho amin'ny fanaitairana ny fisian'izany.
Meksika : Nampiharin'ny Teratany Otomis Ny Fizakantenany Ary Nofidian-dry Zareo Ny Solontenam-Pokonolony
Toy ireo vahoaka teratany hafa toy ny ao Cherán, ny ao Michoacán, ary ny "caracoles" zapatistan'i Chiapas, ny fiarovana ny tany, ny zaratany ary ny fanjakazakan'ny governemanta no nitarika ny Ñätho hampihatra ny fizakantenany sy hifidianany ihany ny manampahefanan'ny fokonolony.
Nalain'ny Governemantan'i Ekoatora Ireo Fitaovan'ny Fantsom-pahitalavitra, Namela Azy io Tsy Ho Afaka Nandeha
Milaza ny tompon'ilay fantsom-pahitalavitra malaza Ekoatoriana izay tsy nandeha intsony taorian'ny fakàn'ny polisy ny fitaovany fa natao iny hetsika iny noho ny tatitra nalefa teo amin'ilay fahitalavitra.
Ireo Mpitarik'ady Miteny Amin'ny Vahoaka Libane: Ndeha Isika Hamela Heloka Sy Hanadino!
25 taona taorian'ny fahataperan'ny ady an-trano, mbola mijanona ho firenena voazarazara i Libanona, ary tsy hanatsara akory fa maika hanaratsy ny hoavy ireo andrana ataon'ireo mpitarik'ady teo aloha mba hanadinoana .
Raha Tsy Naneho Tsara Ny Tondradranon'i Chennai Ny Mediam-panjakana an'i Inde, Manao Dingana Kosa Ny Media Sosialy
"Ny tena marina, ny tena nampiahiahy tamin'ilay izy dia ny endrik'ilay fanehoana manamarina ny fizaràn'ny avaratra sy ny atsimo..."
Fibabohan'ireo Taxicab, Hevitra Kyrgyz: Mandray Familiana Ireo Mpanao Lalàna Mba Hiresahana Amin'ireo Mpifidy
Hetsika fifandraisana amin'ny vahoaka, angamba, nefa manan-danja io eo amin'ny zava-mitranga ao Azia Afovoany, faritra iray miavaka noho ireo politika tsy refesi-mandidy.
Novahàn'i Bangladesh Daholo Ireo Tolotra Media Sosialy (Hatreto)
Fanambaràna mifanipaka avy tamin'ireo manampahefana nampanontany tena ireo Bangla maro ny antony ambadik'ilay fibahanana ny Facebook, WhatsApp, Twitter ary ireo sehatry ny serasera lehibe maro.
Ny Toeran'ny Pakistaney Amin'ny Fahatapahana Ara-Diplaomatika Eo Amin'i Arabia Saodita Sy i Iran
"Tokony hiaraka amin'i New Zealand isika amin'ity adi-hevitra hoe Iran sa Saodita ity. Maka ny toerana lavitra indrindra amin'ity resaka ity."
Mety Hahitanao Loza Itony Tetiandro Itony Ao Thailandy Sy Myanmar
"Iza no hihevitra fa ny fakàna tsotra fotsiny sary miaraka amin'ny tetiandro dia ho lasa hetsika fanoherana?"