Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Marsa, 2014
Korea Atsimo: Tsy Maintsy Mametaka “Marika Volafotsy” Amin'ny Fiarany Ireo Saofera Efa Antitra
Tsy maintsy mametraka marika manokana ao aorian'ny fiarany ireo olona efa antitra mba hahafantarana fa olona efa lazondazony no mitondra fiara. Satria nahitam-piakarana ireo lozam-piarakodia nahafatesana olona nahatafiditra ireo olona antitra
Maty, Indray, Ny Mpisintaka Rosiana No. 1

Nambaran'ny sampana ofisialin'ny Emiràn'i Kaokazy, hetsika mpisintaka mitam-piadiana any Rosia atsimo, fa maty ny fahavalo voalohan'ny fitondrana Rosiana Doku Umarov.
Tsipahin'i Shina Ny Fampitahana Amin'ny Ady Lehibe Voalohany Ny Fifanenjanany Amin'i Japan
“2014 anie ka sady tsy 1914 no tsy 1894, Tsara ho [an'i Japan] ny mijery an'i Alemaina taorian'ny ady ho maodely fa tsy mahabe raharaha tahaka an'i Alemaina talohan'ny Ady Lehibe Voalohany."
Notapahin'i Venezoelà Ny Fifandraisana Amin'i Panamà
Notapahin'ny fitondrana Venezoelana ny fifandraisana ara-diplaomatika sy ara-barotra amin'i Panama. Heniky ny fanehoa-kevitra feno fahagagàna tamin'izany fanapaha-kevitra izany ny tambajotra sosialy.
Lasa Aloha Loatra i Mama Rosia

Andramo ny maka sary ao an-tsaina ireo miaramila Okrainiana nalefa ao Crimée nefa tsy manana fitaovam-piadiana, toerana izay misy milisy manakan-dàlana sy manakenda ny seranampiaramanidina amin'ny fametrahana toerana fanaraha-maso.
Nosamborin'ny Fanjakana Shinoa i Ilham Tohti, Mpisolovava Am-Pilaminana ireo Uyghur Vitsy An'isa
Nolazain'ny Globa Times mpitondra tenin'ny antoko Kaominista Shinoa (CCP) ho mpampisara-bazana i Ilham Tohti, mpampianatry ny Oniversite. Mbola manohy milaza anefa ireo mpanohana azy fa manohitra ny fahaleovan-tenan'ireo mponina ao Uyghur izy.