Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Mey, 2015
FIFA Karaiba : Tsy Misy Fanampim-Potoana Ho An'ireo Manampahefan'ny FIFA Avy Ao Karaiba Satria Sokafan'ny Departemantam-pitsaràn'i Etazonia Ny Fiampangàna
Misy fisahotahotahana goavana ao amin'ny media sosialin'i Karaiba androany, taorian'ny fanambaràna fa niampanga tomponandraikitra ao amin'ny FIFA miisa 9 ary mpitantana orinasa miisa 5 noho ny fanaovana heloka voakarakara hitadiavana tombotsoan'ny olom-bitsy, firaisana tsikombakomba, ary kolikoly.
Pakistana, Balochistan : Tsy Voavatsy Amin'Ilay Entona Voajanahary Vokarina Ao Aminy , Nahoana ?
"Maika amin'ny famatsiana ny entona Sui fampiasa an-trano izahay. Noho ny tsy fisiany dia voatery mirona mandrehitra kitay izahay ho an'ny filànay angovo fandrehitra ato an-trano."
Efa Matin'ny Bala Va Re Ny Hoavin'ny Tanora Ao Venezoela?
Ao anatin'ny firenena iray toa an'i Venezoela, izay ny vono olona no lohalaharana miteraka fahafatesana ho an'ny tanora eo anelanelan'ny 10 sy 19 taona, fanantenana toa inona no azo andrandrainan'ireo andian-taranaka hoavy ?
Na dia Misy aza ny Fanoherana, Mbola Miasa Hanangana Tohodrano Goavana Mety Hamindrana Toerana ireo Teratany 20.000 i Malayzia
"Natsangana ho tombontsoan'ny hafa izy io fa tsy ho amin'ny tombontsoan'ireo monina ao Baram ary rahatrizay any aoriana be any vao ho fananan'i Baram.."
Ny Media No Hafatra: E-Diplomacy Ao Ejipta
Taorian'ny taona efatra nisian'ny fiovàna fitondrana matetika, tsy maintsy manakatra ny fomba fifandraisana mahomby ireo Ejiptiana manampahefana amin'izao fotoana izao
Nahoana Ny Soratra Arabo No Tsy Afaka Manafoana Ny Fivalanandrano An-Kalamanjana Ao Dhaka
"Toeram-pivoahana iray ihany no misy ao Dhaka renivohitra isaky ny olona 150.000, nefa maro amin'ireo no tsy azo ampiasaina."
Ny Fomba Nahazoan'ny Ankizilahy Iray Mpianatra, “Zanaky”-ny Filohan'ny Tajikistan, Tsolotra Be Dia Be Tamin'ny Olon-tsotra
"Miloka aho fa zanaka mpiasam-panjakana hafa io, satria isika tsy afaka ny hampianatra ireo zanantsika ao amin'io sekoly io mihitsy."
Mpiasa Mankalaza Ny Fetin'ny Asa Amin'ny Fanatevenana Laharana Ny Fihetsiketsehana an-Dalambe Manerana an'i Azia Atsimo Atsinana
An'arivony ny mpiasa nidina an-dalambe manerana ny faritra ho fitakiana fampisondrotana karama, tombontsoa isan-karazany, ary fanatsarana samihafa eo anatrehan'ny ny fisondrotry ny vidim-piainana.
Nanakatona Tranokalam-baovao Nandritra ny Andro Iraisam-pirenena Ho an'ny Fahalalahan-gazety i Singapore
Manome rariny ny fitsabahana tafahoatra ataon'ny fanjakana ny fepetra henjana noraisin'ny Manampahefana Misahana ny Fivelaran'ny Media ary mitarika mankany amin'ny fanakelezana ny sehatra antserasera.
Nilaza Ny Minisitra Fa Tsy Misy Dikany Ny #MaritalRape Fanolanan'ny Vady
Ry minisitra hajaina, raha masina ny mariazy, mahatonga ny Fanolanan'ny vady ho masina koa ve izany?