· Janoary, 2018

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Janoary, 2018

Maraoka, Israely ary Palestina : Tantara Iray Tsy Manam-paharoa

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny May 2008) - 60 taona lasa izay, nanombohan'i Nakba sy fitakian'i Israely ny fahaleovantenany lasa nanana fifandraisana mahaliana i Israely sy Maraoka. Talohan'ny nananganana ny fanjakana Israeliàna, nanana mponina Jiosy maro, no sady nihanaka be i Maraoka. Ireto misy hevitra vitsivitsy avy amin'ireo blaogera Maraokanina momba izany, amin'izao faha 60 taona nahazoan'i Israely ny fahaleovantenany izao.

Israely : Hanukkah, Fetiben'ny Hazavàna Sy Ady Ara-Kolontsaina

Fety iray isan'ny tena ankamamian'ny Jiosy nandritra ny fotoana rehetra ary manana lanja ara-tantara raha resaka mifandray amin'ny lafiny ara-kolontsaiana sy ny maha-izy an-dry zareo Israeliàna ny Hanukkah, Ny Hanukkah no fahatsiarovana ny fandresen'ireo Israelita taloha ny Grika tamina ady izay niseho ny taona 165 talohan'i Jesoa Kristy. Tsy ady faritra na harena ilay ady, fa resaka ady amin'ny fahafahana; ny zo hanana fironam-pivavahana sy hanaraka ny finoana Jiosy. Gilad Lotan mampiseho antsika ny fitohizan'ny ady mandraka ankehitriny.

Makedonia : Manamafy Ny Filàna Serasera Malalaka Amin'i Gresy Ireo Mpitoraka Bilaogy

Ao anatin'ny korontana anatiny naterak'ireo hetsiky ny Grika hisakanana ny fidiran'i Makedonia ho ao amin'ny OTAN sy ny Vondrona Eoropeana, ary noho ny fitombon'ny isan'ny tatitra momba ny fanafihana ireo Makedoniana mpamily fiarabe ataon'ny hetsika nasionalista any Gresy ( famaliana ôfisialy), dia maro ireo makedoniana mpitoraka bilaogy no miezaka manentsina ny hantsan'ny tsy fahalalàna misy eo amin'ny firenena roa tonta