Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Oktobra, 2010
Myanmar/Birmania: Fanentanana “Ataovy ankivy ny Fifidianana”
Haroso amin'ny 7 Novambra ihany ny fifidianana any Myanmar na tsy handray anjara aza ireo antoko mpanohitra. Adikan'ny Global Voices ny fanambaràna avy amin'ireo vahoaka ao Myanmar izay hanao ankivy ny fifidianana ho avy.
Egipta: Facebook maditra
Niteraka tsaho, esoeso ary fampihomehezana maro samihafa manerana ny blaogy sy Twitter ny fandaharana iray nandeha tamin'ny fahitalavi-panjakàna. Manome fanampim-baovao i Tarek Amr ao amin'ny fanangonany ny fanehoan-kevitra teo anivon'ireo Egiptiana amin'ny aterineto.
Siria: Iza no mandray $42,000 isam-bolana?
Siria, izay firenena sosialista teo aloha, dia nanomboka ny ezaka fanatsarana ny ara-toekarenany tany amin'ny faramparan'ny 2003 tany. Nitondra haingana be nankany amin'ny firoboroboan'i Siria ilay ezaka'
Meksika: Vehivavy 20 taona no lehiben'ny polisy vaovao ao avaratr'i Meksika ao
Vehivavy manambady 20 taona vao nianatra momba ny fanadihadiana vono-olona tamin'ny herintaona i Valles García; izy ihany koa no lehiben'ny polisy vaovao any Práxedis, Chihuahua. Eo ho eo amin'ny 100 kilometatra miala an'i Ciudad Juárez, tanàna meksikana malaza indrindra amin'ny herisetra any Meksika i Práxedis.
Iran: Dian'ny filoha Ahmadinejad tany Libanona
Vao nahavita ny fitsidihana roa andro tany Libanona ny filoha Iraniana, Mahmoud Ahmadinejad. Io fitsidihana amin'ny fomba ofisialy voalohany notontosainy hatramin'ny nandraisany fahefana tamin'ny 2005. Niresaka tamin'ny mpitondra fanjakana Libaney izy ary nitsidika ihany koa ny toerana mampatanjaka ny antoko sakaizan'i Iran dia ny Hezbollah izany, dia ny faritra atsimon'ny...
Hongria: Mampidi-doza ny toerana fanangonana fako simika
Araka ny fanadihadihana, nandrakotra tanàna maro tany antsinanan'i Hongria ny fikorianan'ny fotaka misy poizina simika tamin'ny fiandohan'ny herinandro teo. Nahakasika tanàna fito izany fahapotehana izany vokatry ny fikorianan'ny fako misy poizina simika navoakan'ny orinasa iray mpikarakara firaka: Tüskevár, Kolontár, Kisberzseny, Somlóvásárhely, Apácatorna, Devecser, Somlójenő. (Sarintany miaraka amin'ilay toerana fanangonana azo...
Vietnam: Fety faha-arivo taona an'i Hanoi
Arivo taona i Hanoi. Naharitra hafoloana (1-10 oktobra) ny lanonana fanamarihana izany fotoan-dehibe izany. Mizara ny fomba fijery sy ny eritreriny tamin'ny nanatontosana ity fihetsiketsehana ity ny mpamaham-bolongana. Aaron Joel Santos mitantara ny fizotry ny sehatra any Hanoi nandritra ny andro voalohan'ny fankalazana Ho feno 1000 taona i Hanoi. Haharitra...
Azerbaijan: Ny karatra Armeniana no lalaovina
Raha mbola eo ampanomanana ny fifidianana izay ho ao amin'ny parlemanta hatao amin'ny 7 Novambra i Azerbaijan, ireo mpitoraka bilaogy avy amin'ny mpanohitra kosa efa maneho sahady ny tsy hafaliany momba ny ho fomba fizotran'ny fifidianana. Tamin'ity herinandro ity ohatra, nipoitra ny olana momba ny fandraketana ny anaran'irao mpirotsaka avy...
Hongrie: Manohitra ny tranombarotra Auchan ny mponina
Inona marina ny zava-mitranga any amin'ny honahonan'i Dunakeszi ? Mbola mitohy foana ny tantaran'ny honahonan'i Dunakeszi nanomboka tamin'ny faran'ny taona 2009. Mikasika ny tetikasa fanitarana ny toeram-pivarotana lehibe iray any Auchan Hongrie amina faritra misy honahona izay arovan'ny lalàna no olana . Nahitana Lahatsoratra [HUN] vao haingana mikasika ny vaovao farany...
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...