Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Jolay, 2009
Hetsik'ireo mponina eran-tany ho an’Irana
Tamin’ny Sabotsy 25 Jolay 2009, ireo Iranianina sy ireo tsy tsy Iranianina dia nivondrona ao anatin’ny United4Iran ary nandray anjara amin’ny hetsika fanohanana ny fitakian’ireo Iranianina ho amin’ny fahalalahana sy...
Malezia: “Aiza ny demokrasia?”
Roa herinandro lasa izay no nankalazan'ny 100th day niasany ny Praiminisitry ny Malezia Najib Abdul Razak. Nefa maro tamin'ireo mpifidy azy no nifidy ny hanamarika ilay fotoana amin'ny fanontaniana hoe “Aiza ny demokrasia? Noforonina ilay blaogy 711whereisdemocracy mba hampaherezana ireo vahoaka Maleziana hanohana ny hetsika fanoherana.
Congo Brazzaville: Fahadisoam-panantenana taorian'ny fifidianana filoham-pirenena
Ny alahady 12 jolay lasa teo dia nifidy ny vahoaka ao amin'ny Repoblikan'i Congo , fifidianana tsy nandraisan'ny lehiben'ny mpanohitra anjara satria araka ny heviny dia sady tsy malalaka no...
Maoritania: Hosoka tamin’ny fifidianana?
Omaly, 11 volana taorian’ny fanonganam-panjakana nataon’ny miaramila notarihan’ny jeneraly Mohamed Ould Abdel Aziz, dia nofidin’ny Maoritania ho filoha ny jeneraly, izay mahatonga ireo mpifaninana tamin’i Abdel Aziz niteny fa “sarintsariny” io fifidianana io araka ny voalazan’ny BBC News. Raha mijery ao amin’ny tontolon’ny blaogy Sahelianina dia mahita fa mifandray ny tadin-dokangan’ireo mpifaninana aminy.
Maraoka: Volan-kakafotra ka ny omaly tsy miova
Raha mihamanatona ny lohataona eto amin’ny fanjakana, ny lohahevitra hita ho mampientanentana ny mpitoraka blaogy manerana an’i Maraoka izao dia ny momba ny fiovana. Nanomboka hatrany amin’ny traikefa vahiny azon’i Maraoka ka hatramin’ny fahalalàhana (na ny tsy fisian’izany) ho an’ny asa fanaovan-gazety, ny ‘blogoma' [Avy amin’ny mpandika: tontolon’ny fitorahana blaogy maraokana] dia toa niova ho sehatra filozofika mikasika lohahevitra maro
Irana: Horonantsary amin'ny aterineto mampita hafatra ho an'i Joe Biden
Eo amin'ny Iraniana, Amerikana sy Iranana-Amerikana 100 eo no nandefa hafatra manokana fohy tao amin'ny YouTube mba hanohanana ny hetsiky ny mpanohitra Iraniana izay miantso ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 12...
Iran: Mitohy indray ny fanoherana ny Fanjakana Islamista
Ny alakamisy lasa teo dia nihorakoraka tao Téhéran ny mpanao fihetsiketsehana anarivony nanao hoe: “aoka izay ny didy jadona” sy ny hoe “lehibe Andriamanitra”, mihantsy ny fanambarana navoakan'ny fitondrana fa...
Shina: Noana ny mpiserasera, tsy misy resa-bary intsony!
Nahantona hatramin'ny faha-8 jolay lasa teo ny Fanfou izay shinoa mpifaninana amin'ny Twitter. Hatramin'izao fotoana ny hany nolazain'i Wang Xing mpanangana ny Fanfou dia hoe noho ny antony “fikojakojana” io...
Meksika: Tsy fahampian-drano mahakasika mponina hatramin’ny 2 tapitrisa
Efa ho 2 tapitrisa izao ny olona voakasik’ilay fihenan’ny famatsian-drano tsy ela akory izay tao amin’ny lemak’i Meksika. Ny Cutzamala System, izay mandrindra ny 20% amin’ny rano fisotro madio ho an’ilay lemaka, dia tsy miasa araka ny tokony ho izy ary tsy afaka mamatsy ny faritra misy azy: distrika 10 ao amin’ny Distrika Federaly ary fiadidiana tanàna 13 ao amin’ny Firenen’i Meksika. Mahakasika olona maro ity tsy fahampian-drano ity isaky ny faran'ny herinandro mandritry ny fotoana tsy voafetra.
Iran : Hetsi-panoherana maitso, am-pilaminana an-tsary
Mpanohitra maro manerana an'i ’Iran no nanohy ny fanehoan-kery nataon'izy ireo ho fanoherana ny vokatry ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin’ny 12 Jona, izay nanambarana fa i Mahmoud Ahmadinejad no nandresy....