· Jolay, 2008

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Jolay, 2008

Iran : Nifarana tany amonja ny diam-panoherana nataona mpitondra fivavahana

  31 Jolay 2008

Mpitondra fivavahana Iraniana antsoina hoe Ali Reza Jahanshahi no nosamborina tapabolana lasa izay, rehefa nanomboka ny diam-panoherana 960 kilometatra (590 maily) avy any an-tanna atsimon’i Iran Sirjan ho any Teheran. Notoherin’ilay mpitondra fivavahana manko ny kolikolim-pakana tany tao Sirjan ary nitarainany ny fitondrana mahefa ho tsy miraika loatra amin’ity raharaha ity. Nosamborina i Jahnashahi raha vao nahavita 30 kilometatra akaikin’ny tanànan’i Abadeh.

Dominika sy USA: Politika sy Olona

  31 Jolay 2008

“Liana dia liana amin'ny fizotry ny fifidianana Amerikana i Chris ao amin'ny Dominica Weekly , ary mitarika azyizany hitodika amin'ny toetoetran'ny politika ao an-tanindrazany: “Angamba ny zavatra mahomby indrindra azontsika...

Shina: Ento miaraka aminao ny router wifi-nao

  29 Jolay 2008

Lafo dia lafo ny sarantserasera aterineto  ao amin'ny tanàna olaimpika ao Beijing, hoy ny mpanoratra iray ao amin'ny Andrew Lih's AndrewLih.com: “Tsy mampino fa tsy vitan'ny hoe tsy maintsy mifampiraharaha...

Brezila: Nahazo alalana ilay tetikasa nokileary efa nampiady hevitra

  28 Jolay 2008

Nahazoana fahazoan-dalana vonjimaika, avy amin'ny Ivotoerana Breziliana miahy ny tontolo iainana sy ny akora azo avaozina tamin'ny 23 jolay farany teo, ho azon'ny mpametraka angôvon-taratra nokileary Breziliana trandrahina ilay mpamerin-kery (réacteur) efa nampiady hevitra Angra 3 , nefa mialoha izany dia andiam-pifanarahana fiarovana ny tontolo iainana mahatratra 60 no napetraky ny minisitry ny tontolo iainana Carlos Minc tsy maintsy ekena.

Iran: Mirahalahy miady amin'ny SIDA nosamborina

  27 Jolay 2008

Saffron Sky no nanoratra fa mpikaroka mirahalahy (Dr. Kamiar sy Dr. Arash Alaei), izay fanta-dtaza iraisam-pirenena noho ny asany amin'ny ady amin'ny VIH/SIDA any Iran, no nogadrain'ny fitondrana Iraniana nandritra...

RDC: 1.3 miliara dolara ny vola niodina

  27 Jolay 2008

[Tsikin'ny mpandika teny: Tsy vola maditra tsy akory no lazaina fa vola navilivilin'ny sasany] Tany Congo, Nomelohin'ny fiadidiana ny praiminisitra ny sampan-draharaham-panjakana folo any aminy, ary tafiditra amin'izany fanodikodinam-bola mahatratra...

Silaovakia: Mitsipaka ny fahaleovantenan'i Kosovo

  25 Jolay 2008

Nanambara ny fahaleovantenany ny Repobilikan'i Kosovo tamin'ny 17 feboroary 2008. 43 amin'ny 192 mpikambana ao amin'ny Firenena Mikambana no manaiky ny fahaleovantenan'i Kosovo ary tafiditra amin'izany i Etazonia, Kanada, Aositiralia...