Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Oktobra, 2016
Asehon'ny Tatitra Ny Fomba Ampiasain'Ireo Politisiana Ao Ghana Ny Media Sosialy Mialoha ny Fifidianana
Manombana sy mandahatra ny fidirana an-tsehatry ny antoko politika, ny mpitarika ny antoko politika ary ny sampa-draharaha fitantanana ny fifidianana manan-danja ao Ghana tao amin'ny media sosialy ny andiany faharoa amin'ny Fampilaharana ny Fitantanana ny Media Sosialy.
Fizahantany Sri Lankey : Miroborobo Indray, Fa Fehezin'ny Miaramila Ny Ankamaroany
Mampiasa vola be ao amin'ny asam-pihariana ara-ppizahantany ny miaramila Sri Lankey. Manana fandraisam-bahiny sy toerana fialan-tsasatra maro, toeram-pisakafoanana maro sy trano fisotroana kafe, ary toerana fizahantany hafa ny tafika.
Nosakanana Indray Ny Firosoana Ho Amin'ny Dingan'ny Fitsapankevibahoaka , ‘Jadona!’ Hoy ny Mpanohitra
"Ny fitondrana demokratika manontany ny vahoakany. Ny jadona no mandositra fifidianana."
Eto Amin'Izao Tontolo Izao, Na Tsara Pasipaoro Isika … Na Tsia
Maneho tsy fankasitrahana ny fandavan'i Frantsa tsy hamela ireo mpitsoa-ponenana hiditra ao amin'ny fireneny i Amélie Jacques, bilaogera frantsay efa niaina tao Paris sy ny tanàna itatra manodidina azy, avy eo tany Roma, dia tany Ouagadougou ary ankehitriny ao Soweto miaraka amin'i Anthony sy ny zanany.
Navoakan'ny Mpijirika Ireo Imailaky ny Mpanampy Ao Kremlin, Voalaza Fa Miaty Drafitra Fanakorontanana An'i Okraina

Lazain'ireo Okrainiana mpijirika fa mampiseho drafitra ho fanakorontanana an'i Okraina ato anatin'ny volana vitsy ho avy ny fijirihana ireo imailak'i Vladislav Surkov, mpanolotsaina an'i Putin.
Mizaka ny Vokatry Ny Fandaniana Tafahoatra Nataon'ny Governemanta Teo Aloha i Sri Lanka
Azo nampiasaina tamin'ny zavatra maro hafa ny volabe tsy toko tsy forohana nanafoanana fividianana fiaramanidina efatra .
Ny ‘Mpitsikilom-Bahiny’ Ihany No Mizara Tantaran'ny Fotoana Mahafinaritra Ao Etazonia, Hoy Ny Fitsarana Rosiana

Nanatevin-daharana ny lisitr'ireo fikambanana 146 notondroin'ny Minisitry ny Fitsarana toy ny "mpiasam-bahiny" ny Klioban'ny Maintimolaly Amerikana. Ny heloky ny fikambanana? Nampita lahatsoratra indray tao amin'ny media sosialy.
Tombouctou : “Ny Tsangambato No Omena Rariny, Fa Tsy Ny Vehivavy Voaolana”
Marihan'i Georges, maliana mpanoratra bialogy, fa ireo trangambato nosimbàn'ny jihadista no nomena rariny, fa tsy ireo vehivavy voaolana.
Politisiana Mahalala “Miasa Ho An'ireo Nifidy Azy” No Ezahan'ny Islandey Fidiana

"Mety ho iray amin'ireo fandresena vitsy azon'ny fanovàna ny demaokrasia io amin'ity fifidianana ity—ary ho iray hanainga fanahy ny maro any rehetra any" ny fanentanan'ireo vahoaka ao Islandy mba hampiharana ny lalàm-panorenana novolavolain'ny vahoakany
Lahatsary Mivantana Tamin'ny Facebook, Miteraka Resabe Amin'izay ho Filoha ao Trinidad sy Tobago
Nanao tafa ho an'ny mpanao gazety tamin'ny 28 Septambra ny Filohan'ny Trinidad sy Tobago mba hamaliana ireo fitarainana momba ny biraony, fa fanontaniana maro no tsy mbola tsy misy valiny.