· Janoary, 2008

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Janoary, 2008

Bangladesh: Cinema, politika, fahasalamana, saripika ary tantaram-pirenena

  31 Janoary 2008

Lahatsary: Miezaka mamoaka lahatsary mendrika azon’ny mpianakavy Bangladeshi jerena miaraka ny orinasa Bangladeshi mpamokatra izay antsoina amin’ny anaram-bositra hoe Dhallywood. Saingy noho ny hatsaran’ny sary mivoaka avy any Hollywood sy Bollywood, izay tafiditra tsara anaty tsena Bangladeshi sy ny hamoran’ny kapila mangirana VCD/DVD piraty dia tra-pahasahiranana i Dhallywood nandritra ny...

Libanona : Manala sarona ny hetsik'i Hassan Nasrallah

  30 Janoary 2008

Manontany tena sady mamazivazy i Heuristiques Libanaises eo am-pijerevana ny sarin'i Hassan Nasrallah izay mampitandrina amin'ny fanandratana ny tondrony, raha manatrika ny fodiana sa ny fiposahan'ny masoandron'ny “fandresena avy amin'Andriamanitry”-ny antoko Hezbollah i Libanona : Lorsqu'il plastronne devant les foules ou les militants admiratifs, le sourcil froncé, le regard courroucé...

Iran: ivelan'ny Oniversite izay Bahai

  28 Janoary 2008

Shahrahsolh (midika hoe lalambe mankany amin'ny fiadanana), mpamaham-bolongana manaraka fivavahana Bahai, no manoratra fa[Fa] tsy avelan'ny governemanta  hianatra any amin'ny Oniversite izay mpianatra Bahai rehetra any Iran. Ampian'ny mpamaham-bolongana aza moa fa kendren'ny governemanta mihitsy izay haha-anjorom-bala kokoa hatrany izay Bahai any amin'ny fiaraha-monina any.

Madagasikara : Nahaton'ny fanjakana ny fandaharana fanta-daza “Karajia”

  18 Janoary 2008

Ny namana Jentilisa monina any Antananarivo, no nitatitra ny “fanafoanana” [suspension hoy ny fandaharana hafa] izay noraisin'ny fanjakana hihàtra amin'ny fandaharana fanta-daza “Karajia” izay mpandeha maraina ao amin'ny radio Katôlika Radio Don Bosco [afaka miantso sy milaza mivantana izay heviny ny mpihaino]. Notaterin'ny fandaharana “kidaona maraina” izay fatra-pihaino sady mpandeha...

Bielaròsy, Rosìa : Fiaran-dalamby Minsk-Murmansk

  18 Janoary 2008

LJ mpiblaogy ao amin'ny af1461 dia manapariaka sary meva maro mikasika ny faritra Avaratra, ny faritra Faran'ny Atsinanana sy faritra hafa any Rosia, ary koa momban'ny lalamby Rosiana (jereo, ho fanoharana, ireto sarin'ny garan'ny “lalamby maty” any amin'ny tanàna iray any amin'ny faritry Murmansk ireto). Eo ambany ny lahatsoratra izay dikantsoratra...

Iran: Ny olo-masina Ahmadinejad

  16 Janoary 2008

Kamangir no mitantara fa, araka ny vaovao nampitain’ny vohikala vaovao iray any Iran, Aftab fa, “andro vitsivitsy lasa izay dia nilahatra tao amin’ny Lapan’ny Parlemanta ny mpikambana ao mba hiarahaba ny filoha Iraniana Mahmoud Ahmadinejad. Ny sasany amin’ireo mpikambana parlemantera izay tsy mbola nahita azy hatramin’ny niverenany tamin’ny [Hajii pilgrimage]...

Letonia: Raharaha maizin’ny olom-pirenena rosiana

  12 Janoary 2008

Marginalia no mitatitra: “Raharaha maizina mahavàka iray hafa indray mahatafiditra an’i Letonia – dia ny fivarotana pasipaoro eo ho eo amin’ny zato ho ana mpanankarembe izay olom-pirenena Rosiana ny ankamaroany ka mitady ny tombotsoan’ny maha-mpikambana amin’ny Vondrona Eoropeana sy ny fifanarahan’ny Schengen an’ity firenena balta iray ity.”

Faritry Balkan : topimasom-boky

  12 Janoary 2008

Greater Surbiton no milaza ny topimaso ny boky mitondra ny lohateny hoe ‘Peace and Punishment’ (Fandriampahalemana sy Fanasaziana) nosoratan’i Florence Hartmann, “mpitondra tenin’ny mpampanoa lalàna ny Maisitira Carla del Ponte ao amin’ny Tribonaly heloka bevava iraisam-pirenena ho an’i Yogoslavia teo aloha(ICTY), […] olona ambony voalohany tao amin’ny ICTY nanoratra boky...

Paortiogaly : Voafitaka izahay

  12 Janoary 2008

Susana Charrua [pt] no manaitra fa nanapa-kevitra ny hampandany ny fifanarahana vaovaon’ny fihavaozana Eoropeana eny anivon’ny parlemanta indray ny Praimnisitra Portigey Jose Socrates fa tsy amin’ny alalan’ny fitsapan-kevi-bahoaka araka ny nampanantenainy, “Tena tantanina mpanao didy jadona amin’ny karazany ratsy indrindra isika, tokony hanahy sy hiatrika azy amin’ny fomba tsy ara-dalàna,...

Iran : Ngolin'ny hatsiaka !

  11 Janoary 2008

Misedra ririnina tena henjana i Iran amin'ity taona ity nohon'ny hatsiaka. Tanàna maro no voafandriky ny oram-panalà ary tsy latsaky ny valo ireo olona (efa) namoy ny ainy. Voasembatsembana aza hatramin'ny tolotra “gazy” [voan'ny delestazy-na gazy, satria zaraina isan-tokantrano toy ny rano ny an-dry zareo ny gazy] ary na dia firenena faharoa faran'izay manan-karena ara-gazy i Iran,...