Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Avrily, 2019
Rosia: Hetsi-panoherana An-kerim-po sy ny Lalàna
Tamin'ny 17 Novambra 2006, nankatò volavolan-dalàna iray manafoana ny tahàm-pandraisana anjara farany ambany indrindra (20%) ho an'ireo fifidianana rehetra any Rosia ny Duma Rosiana. Androany, nanao sonia izany ho lalàna ny filoha Vladimir Putin.
Azia Atsimo: Tsy fananana Asa, Fikambanan-drelijiozy, Valala, Mpangataka Mpanefoefo Ary Fandriana Fanampiny An'ireo Blaogera
Azia Atsimo, faritra iray amin'ireo mahantra indrindra erantany. Tsy fananana asa no iray amin'ireo olana goavana ho an'ireo firenena rehetra ao amin'ny faritra. Manoratra ampahany iray mikasika ny asa ao Azia Atsimo ny South Asia Biz. Dinihany ireo vavahadin-tserasera momba ny asaan-tambajotra any Nepal, India, Bangladesh, Pakistana, ary Sri Lanka.
Libanona: Akademia, Fambolena ary Asa Fanorenana
Akademia, Fambolena ary Asa Fanorenana, samy resahana ato anatin'ny lahatsoratra daholo ny amin'ireo lohahevitra ireo. Arahan'ny fenhoankevitra miharo fanantenana sy ahiahy
Bahrain: Ao amin'ny tany misy lalàna
Gaga ilay bilaogera Bahrainita Khalid tamin'ny fanehoan-kevitra nataon'ny governemanta - taorian'ny namoahan'ny Minisitry ny Atitany baiko handràra ny famoahana fahazoan-dàlana ho an'ny mpiasa avy any Bangladesh - ao amin'ny firenena izay mirehareha amin'ny maha-demokrasia azy amin'ny lalàna sy lalàmpanorenana ao an-toerana.
Manentana ny mpomba azy ao amin'ny antokony hiroso amin'ny fifandonana ny filoha Alpha Condé
Mandrisika ireo mpanohana azy ho vonona amin'ny fifandonana ara-batana amin'ireo olona izay manohitra ny fikasany handrombaka ny fe-potoana fahatelo hitondrany i Alpha Condé, filoham-pirenena ao Guinée.
Malayziana mpikatroka ambany fanadihadian'ny polisy taorian'ny kabary LGBT tao amin'ny Firenena Mikambana
"Ahatsinjovana ihany ny fanohintohinana, ny fampitahorana ary ny fanilikilihana mahazo ny olona LGBT ao Malayzia ny famotoran'ny polisy amin'ny fanambaràn'i Numan. "
Nepal: Mirehitra i Madhesh
Efa taonjato maro ireo Madhesi no natao anjorom-bala. Ao anaty fitroarana izy ireo ankehitrin, izay tsapa ho toy ny ampahany faharoa eto amin'izao tontolo izao manetsika ny Revolisiônan'y Aprily [...] Raha ampahany ao anatin'i Nepal i Madhesh, dia nahoana ireo Madheshis no tsy omena vintana ho afaka hanao raharaha miaramila?
Sina: Voatohitohina Ilay Rindrinafo Goavana
Naka nanaraka azy ilay filàna hanivan-tena mba hahatafavoahana velona ny fahataperan'ny Rivopanovàna Ara-kolontsaina tao Sina telopolo taona lasa izay. Raha toa ka efa afaka miresaka malalaka tsara ireo Sinoa —zo iray arovan'ny lalàmpanorenana Sinoa— mbola misy foana ireo andiam-pitsipika sy fenitra tsy voasoratra hamaritana ny fotoana sy ny tranga mahatafiditra ny mpanatrika.
Fepetra manavakavaka noheverina hiaro amin'ny herisetra ara-nofo, nokianin'ireo vehivavy malagasy
Ao anatin'ny fiarahamonina malagasy, tendron'ny vongan-dranomandry iray goavambe fotsiny ihany ny herisetra manjo ny vehivavy
India, Mafotaka ny Adin'ny Tenifototra Mialoha ny Fifanandrinan'ireo Kandidà Amin'ny Fifidianana Ho An'ny Lohataona 2019
Ahitana teny filamatra sy valinkafatra henjana ary tantara maro ny fampielezankevitra politika, satria hanao fifidianana ilay demokrasia goavana indrindra eto an-tany ny 11 Aprily ka hatramin'ny 19 Aprily 2019.