Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Septambra, 2008

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Septambra, 2008

Shina: Handratra ny fontsika ve ny loka Nobel ho amin'ny fandriampahalemana?

Efa tsy dia tena faraidiny loatra ny tantana raha nahazo ny loka Nobel momba ny haisoratra i Gao Xingjian tamin'ny  2000; Niarahaba ilay nizaka ny zom-pirenena Shinoa teo aloha i Zhu Rongji, ary notazonin'i Wikipedia fa fotoana mahafinaritra ho an'ny haisoratra Shinoa ny nandrombahany azy tamin'ny faha-100 taonan'ny Loka Nobel,...

Masedonia : Horonan-tsary hiadiana amin'ny kolikoly

Nizara rohin'ny mpitoraka blaogy roa izay naneho horonan-tsary maro maneho ny fanararaotam-pahefana ao amin'ny faritra iray ao Skopje i Razvigor 😉 dia i Komunikacii [MKD] sy Panta Rei [MKD].

Iran : Ahmadinejad sy ny Zava-mahadomelina

Araka ny lazain'i Emroozema [Fa], mpitoraka blaogy avy ao Iran  dia 600000 ihany no nolazain'ny Filoham-pirenena Iraniana Mahmoud Ahmadineja fa marary noho ny fidorohana zava-mahadomelina ao Iran. Araka ny voalazan'ny tompon'andraikitra hafa nefa, hoy ihany ity mpitoraka blaogy ity dia mananika ny 3 tapitrisa ny isan'ny marary noho ny zava-mahadomelina...

Shina sy Taïwan : Hatezerana vokatry ny vovo-dronono voapoizina vita avy any Shina

Ireo vokatra vovo-dronono, novokarin'ny vondron'orinasa Sanlu (三鹿) avy any Shina, dia tsikaritra fa voapoizina tamin'ny alalan'ny melamine taorian'ny nahitàna fa zaza an-jatony no narary tratry ny vato any amin'ny voa [amin'ny teny anglisy] (calculs rénaux). Zaza iray tany amin'ny faritany sinoa ao Gansu no maty noho izany. 25 taonina tamin'ny...

Iran: Revolisionan'ny fahamahanam-bolongana

The Blogging Revolution (Revolisionan'ny famahanam-bolongana) nosoratan'i  Antony Loewenstein dia ho azo vidiana ao Amazon rehefa kelikely. Miresaka momba an'i Iran, Ezipta, Syria, Arabia Saodita, Shina ary Kiobà indrindra io The Blogging Revolution io. Eto no ilazalazany ny mombamomba ny boky.

Singapaoro: ireo vahiny mpifanolobodirindrina amintsika

Raha nanambara ireo toerana 11 vaovao hametrahana ny mpiasa vahiny ny goverinemanta tamin'ny herinandro teo dia tsy faly ny mponina avy amin'ny saranga antonony amin'ny manodidina ny zaridainan'i Serangoon. Niara-nientana tamin'ny fanangona-tsonia haterina any amin'ny solombavambahoakany ao an-toerana George Yeo sy Lim Hwee  Hua ry zareo — nilaza moa ny...

Madagasikara: Mpanao politika mpanohitra nosamborina

Gazety Avylavitra no namoaka sary vitsivitsy ny nisamborana mpitarika mpanohitra iray nosamborina ampahibemaso indrindra dia Atoa Henri Lecacheur tao amin'ny toerana misy ny tsena (taloha) ny zoma maraina (8/29/008) ary polisy misarontava no nisambotra azy (mg).