Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Oktobra, 2022
Tatitra Unfreedom Monitor: Fitantanana Torohay
Efa ato anaty tatitra izao ny fikarohana Advox momba ny fitantanana torohay ho fitaovana tsirefesimandidy nomerika. Vakio ny sombin-dahatsoratra ary trohy ny pdf feno.
Famoriam-bahoaka ataon'ireo mpanohana ho firaisankina amin'ny vahoaka Iraniana
Raha nitohy ny hetsi-panoherana tao Iran dia natao tany amin'ny tanàndehibe maherin'ny 150 maneran-tany ny famoriam-bahoaka ho firaisankina amin'ny tolon'ny vahoaka Iraniana ho amin'ny fahalalahana sy ny rariny nandritra ny faran’ny herin’andro.
Tatitra Unfreedom Monitor: Maraoka
Efa vita tatitra ny tsongam-pikarohana avy amin’ny Advox momba ny tsirefesimandidy nomerika any Maraoka izao. Vakio ny sombin-dahatsoratra ary trohy ny endrika pdf feno.
Azerbaijan: Notanan'ny polisy ilay mpikatroka mpandala ny fandriampahalemana mialoha ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Fandriampahalemana
Araka ny tatitry ny polisy, nosamborina teny an-kianja i Mammadli noho ny fanoherana ny polisy, izay anisan’ny fiampangana mahazatra amin’ny fepetra famaizana any Azerbaijan ampiasaina hikendrena ireo mpikatroka ara-politika sy sivily.
Feno alika nilaozan'ny tompony ny tendrombohitra Makedoniana ka mampidi-doza ireo lynx efa ahiana ho lany taranaka
Any Makedonia Avaratra, alaina eny amin'ny araben'ny tanàna sy angonin'ny mpisambotra alika ao amin'ny fiadidiana ny tanàna ny alika nariana ka alefa any an-tendrombohitra manatevin-daharana ireo amboadia sy mifanome taranaka any.
Nipoaka ny fihetsiketsehana tao Iran noho ny fahafatesan'i Mahsa Amini
Nipoaka nanerana an' Iran ny hetsipanoherana noho ny fahafatesan'i Mahsa (Zhina) Amini, 22 taona, taorian'ny nitazonana azy tao amin'ny polisin'ny môraly tao amin’ny firenena noho ny filazana fa nandika ny fitsipika mifehy ny hijab.
Armenia sy Azerbaijàna, samy nanaiky ny sisintany maha-iray tsy mivaky ny taniny ny roa tonta
Emanuel Macron, filoha frantsay sady filohan'ny filankevitra eorôpeàna, no niahy ny fifampiresahana fikatsahana fandriampahalemana
Makedoina Avaratra : amboadia atao lasibatra sy vonoina
Makedonia Avaratra no iray amin'ireo firenena farany mihevitra ny amboadia ho sahala amin'ny mpanelingelina, ka any dia malalaka ny famonoana azy, eo aza ny fanasokajiana azy ho karazana efa azo lazaina ho tandindomin-doza.
Fanafihana farany nataon'i Tiorkia tamin'ny zavakanto : governoran'ny faritra iray nanafoana fetiben'ny mozika efa nandrasana hatry ny ela
Na dia tsy notondroina mazava aza tao anatin'ilay filazana aza ny fetiben'ny mozika ho avy eo, dia anisan'ny tafiditra anatin'ireo datin'andro voalaza ao anaty fanambarana ilay hetsika
Nahoana no mbola maniry ny hahalàny an'i Bukele ny ankamaroan'ireo Salvadôriàna, na nitombo aza ny fanaovany didiko-fe-lehibe
Na eo aza ireo fiampangana azy ho manitsakitsaka ny zon'olombelona, ny didiko-fe-lehibe, ny fangoronana fahefana, ary ny fifanekena amin-jiolahy, fanirian'ny ankamaroan'ireo Salvadôriàna ny mbola haha-voafidy indray an'i Bukele