· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Oktobra, 2018

Shina: Tolo-kevitra momba ny fanavaozana ara-barotra mialohan'ny fivoriana ara-politika isan-taona

Raha toa ka nanomboka androany tao Beijing ny herinandro telo hanaovana politikan'ny mihidy varavarana, nanao ny tolony ho an'ilay fivoriana avarapianarana — izay izy no solontenany—ny Tale Jeneraly malaza be ana orinasa elektronika Shinoa iray, ary nizara izany tao amin'ny blaoginy tamin'ny fitenin'ny fitiavan-tanindrazana sy fanandratam-pirenena.

31 Oktobra 2018

Tonizia: Fotoana Fisoratana Anarana Amin'ny Fifidianana Izao

Nanomboka ny 11 Jolay 2011 ny fisoratana anarana anatin'ny lisi-pifidianana tao Tonizia ary hikatona ny 2 Aogositra 2011. Kanefa asejon'ireo antontanisa ny fisalasalan'ny Toniziana hisoratra anatin'ny lisitra. Izany no nahatonga vondrona iray ahitàna Toniziana mpanoratra bilaogy nanangana hetsipanentanana anaty aterineto hampirisihana ny vahoaka hisoratra anarana anatin'ny lisi-pifidianana Antenimieran-dalàmpanorenana.

30 Oktobra 2018

Japana: Noana Ao Amin'ny Tany Tondra-dronono

Nanainga ny blaogera japoney maro hieritreritra mikasika ny fiantraikan'ny politikan'ny fiahiana ara-tsosialy ao amin'ny fireneny ny tantara vao haingana mikasika ny lehilahy iray matin'ny hanoanana [Ja] noho ny tsy nahazoany ny fanampiana ara-tsosialy, izay lasa nalaza noho ny niraketany tao anaty diary ny andro farany niainany. Vakio ato ny sasany amin'ny hevitr'izy ireo mikasika izany olana izany.

29 Oktobra 2018

Rosia: Hifidy sa Tsy Hifidy?

Hifidy - sa tsy hifidy? ''Hifidy amin'ny tongotrao'' - sa hanaraka ny torohevitr'i Mikhail Khodorkovsky ary hifidy ny iray amin'ireo antoko kely indrindra tsy ''ambanianao''? Hanao ankivy ny fifidianana - sa hanimba ny vatom-pifidianana? Ho hahitsy tsara sy hanamarina ny iray amin'ireo efajoro kely fandatsahambato - sa ho lasa maditra ary hanoratra teny ratsy mameno ilay pejy?

28 Oktobra 2018