Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Mey, 2018
Goatemalà: malalaka ny aterineto, afaka mamahana bilaogy ny olon-drehetra
Tany ampiandohan'ny taompolo 90, voafehy ny gazety, ary ny manankatao ihany no afaka niditra tamin'ny fisian'ny aterineto vaovao. Raha vao nomena ny tsy miankina ny indostrian'ny fifandraisan-davitra dia maro ny olona no afaka niditra tamin'ny tranonkala manerana izao tontolo izao, ary afaka namahana bilaogy noho izany ny ankamaroan'ny olona.
Egypta: Ny lahatsary mampiseho heloka bevava
Nandefa lahatsary iray nalain'ny mpizaha tany tao amin'ny seranam-piaramanidina tany Egypta, izay nahitana ny polisy iray manipy valizy iray tany amin'ny vahoaka, ka nahavoa zazakely iray.......
Pôrtô Rikô: Ny lahatsary antserasera ahitana ny hetsi-panoheran'ny mpianatry ny Oniversite
Mbola nihamafy hatrany ny hetsi-panoherana naharitra iray volana manohitra ny fanapahana ny tetibola tao amin'ny Oniversiten'i Pôrtô Rikô, ary navitrika tamin'ny fanaparitahana hatrany ny vaovao tamin'ny alàlan'ny lahatsary antserasera sy ny media sosialy hafa ireo mpianatra nipetraka tao anatin'ny faritry ny oniversite Rio Piedras.
Però: Niverenan'ny tondra-drano indray ny faritra Cusco
Rehefa noheverina fa nihatsara ny toe-draharaha nateraky ny orana sy ny tondra-drano tany Cusco, Però sy ny faritra manodidina azy dia tondraka indray ny renirano iray hafa noho ny oram-batravatran'ny 1 Martsa (2010).
Fifanakalozan-kevitra mivantana tato amin'ny Global Voices momba ny lalao nifanindrianan'i Orogoay sy i Frantsa
Nandray voalohany ny fiadiana ny amboara erantany amin'ny baolina kitra, izay azo lazaina fa ilay hetsika ara-panatanjahantena manerantany malaza indrindra ny kaontinanta Afrikana.
Vaovao farany Lingua volana Aprily 2018
Manolotra antsika ny Vaovao Lingua volana Aprily 2018 ny mpitantana ny Lingua
Egypta: andron'ny fahatezerana Zoma
Feno faminaniana momba ny fihetsiketsehana faran'ny herinandro ny tontolon'ny Twitter Egyptiana. Nomena anarana hoe ny Diaben'ny Egyptiana An-tapitrisany , nahitana ny fihetsiketsehana mbola tsy nisy toy izany nanerana ny firenena ny andro zoma, na dia teo aza ny fampitandremana nataon'ny governemanta fa tsy ekena intsony ny fanakorontanana (2011).
Fandikanteny #RightsCon: Antso ho an'ny miteny Arabo, Frantsay ary Espaniola
RightsCon Toronto 2018 no hetsika faha-7 amin'ny Andiana Vovonana RightsCon. Io no iray amin'ireo fihaonambe manerantany lohalaharana miresaka zon'olombelona amin'ny vanim-potoana nomerika, ahitana fifanakalozan-kevitra sy ny resadresaka lehibe sy...
Antso ho an'ny bilaogera ho ao amin'ny Skype (8 jona 2005)!!
Alefaso ho ren'ny mpihaino manerantany ny feonao. Ampahafantaro ny bilaoginao ary ilazao amin'izao tontolo izao hoe tahaka ny ahoana izany atao hoe bilaogera ao amin'ny firenenao izany.
Ny atrikasa ara-dalàna voalohany ho an'ny bilaogera tao Shily: ny fananganana sehatra iraisana vaovao
Ny 12 novambra (2005), natao tao amin'ny Tranombokin'i “Santiago” vaovao ny "Taller Legal" (Atrikasa ara-pitsarana) voalohany indrindra no nisy tao Shily. Olona mihoatra ny 170 no nanatrika ny hetsika izay nokarakarain'ny Fikambanana Mpiaro ny Zo Nomerika .