Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Egypta: andron'ny fahatezerana Zoma

(Marihina fa tamin'ny 27 Janoary 2011 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Anisan'ny fitantaranay manokana ny Hetsi-panoherana tany Egypta tamin'ny taona 2011 ity lahatsoratra ity .

Feno faminaniana momba ny famerenana indray ny fihetsiketsehana nandritra ny faran'ny herinandro ny tontolon'ny Twitter Egyptiana. Nomena anarana hoe Diaben'ny Egyptiana An-tapitrisany,  nahitana fihetsiketsehana mbola tsy nisy toy izany nanerana ny firenena ny andro zoma, na dia teo aza ny fampitandremana nataon'ny governemanta fa tsy ekena intsony ny fanakorontanana .

Hoy i Mohammed Rasheed nanoratra :

مسيره المليون مصري في كل المحافظات 4 جمعة الغضب
Hotontosaina any amin'ny faritra rehetra ny Diaben'ny Egyptiana An-tapitrisany. Andron'ny fahatezerana ny Zoma.

Nanampy i 3arabawy fa miandry fatratra ilay andro lehibe ny vahoaka avy amin'ny lafim-piainana rehetra :

shop owners in the neighborhood r excited about tomorrow's protest. Laundry workers will join #jan25

Mientanentana momba ny fihetsiketsehana rahampitso ny mpivarotra ao an-tanàndehibe. Hanatevin-daharana ny 25 Janoary ireo mpiasan'ny fanasan-damba.

Nanohy i @3arabawy hoe :

friend called to say 2 of her friends will protest tomorrow. The couple work as investment bankers! Mubarak managed to alienate all classes.

Nilaza ny namana iray raha niantso fa hanao hetsi-panoherana rahampitso ny namany 2. Miasa toy ny banky mpampindram-bola izy roa ireo! Nahomby tamin'ny fanimbana ny saranga rehetra i Mubarak.

Namory ny vahoaka i Sarah Naguib:

We only managed it because we were THOUSANDS.no exaggeration. Small protests are useless. PLEASE, tomorrow, have patience and gather up

Vitantsika ihany izany satria an'ARIVONY isika. tsy manitatra. Tsy misy dikany ny hetsi-panoherana kely. MIANGAVY anareo, rahampitso, manàna faharetana ary mivoria

sy mandefasa hafatra any amin'ny Filoha Egyptiana Hosni Mubarak, manao hoe :

President Hosny Mubarak…Should your silence be taken as a sign of consent to the people? #Jan25

Ry Filoha Hosny Mubarak … Moa ve midika fankatoavana vahoaka ny fahanginanao?

Ary i Sandmonkey efa vonona :

Extra battery…check. New line with BB service not in my name… Check. Bring on tomorrow. #jan25

Batery … amarinina. Tambajotra vaovao miaraka amin'ny tolotra BB tsy amin'ny anarako … amarinina. Entina rahampitso.

Nanozongozona an'i Egypta nandritra ny telo andro nisesy ny fihetsiketsehana , niaraka tamin'ny olona an'arivony nidina an-dalambe nitaky fanavaozana ara-politika sy ara-toekarena, ary koa ny famaranana ny fitondran'i Mubarak nandritra ny 30 taona.

Andro tsy fiasana ny Zoma any Egypta ary nomanina taorian'ny vavaka isaky ny andro Zoma tamin'ny mitataovovonana ny fihetsiketsehana .

Nilaza ny tati-baovao fa nanome torolalana ny mpitari-pivavahana mba hiantso ny olona “hankatò ny mpitondra” ny sampan-draharaham-panjakana tompon'andraikitra.

Namaly i Nourhan hoe :

لو الخطيب في الجامع قالك.. اطيعوا ولي الامر.. قوله بصوت عالي: افضل الجهاد كلمة حق في وجه سلطان جائر.. انشرها بقدر حبك للحياة #Jan25
Raha milaza aminareo ny mpitari-pivavahana ao amin'ny moske mba hihaino ireo mpitondra, lazao azy amin'ny feo mafy hoe: ” ny mampiaka-peo manoloana ny fitondrana jadona no Jihad tsara indrindra.” Ampielezo bebe kokoa ity hafatra ity raha mbola tianao ny miaina.

Nahazo fanehoan-kevitra mifangaro ihany koa ny fanambarana nataon'ny Mpirahalahy Miozolomana tamin'ny fandraisan'izy ireo anjara tamin'ny fihetsiketsehana Zoma  .

Nitatitra i Amr Ashraf hoe :

The Muslim Brotherhood has called for its followers to demonstrate after Friday prayers — #CNN #Jan25 #25jan #Egypt #Cairo #Egyrevolt

Niantso ny mpanara-dia azy ireo hanao fihetsiketsehana aorian'ny vavaka isaky ny Zoma ny Mpirahalahy Miozolomana.

Nisioka ny mpitati-baovao avy ao amin'ny CNN ao Kairo Ben Wedeman hoe :

Muslim Brotherhood's call on supporters to join nationwide Friday protests could be decisive. #Jan25 #Egypt

Mety hampiova zavatra ny fiantsoana nataon'ny Mpirahalahy Miozolomana ho an'ireo mpanohana mba hanatevin-daharana ny hetsi-panoherana manerana ny firenena amin'ny Zoma.

Nanampy i Mohamed Abdo hoe :

رسالة للإخوان:مظاهرات الجمعة لكل المصريين، مفيش هتافات دينية وشعارنا “الشعب يريد إسقاط النظام”مش”حسبنا الله ونعم الوكيل” #jan25 #Egypt
Hafatra ho an'ny Mpirahalahy Miozolomana:  ho an'ny Egyptiana rehetra ny fihetsiketsehana ny Zoma. Tsy mila tenim-pivavahana izahay fa ny teny filamatra dia hoe “Ny fanonganana ny fitondrana”

Mandritra izany, nanamafy i Wael Abbas fa niakatra ho valo ny isan'ny mpanao fihetsiketsehana maty :

number of dead in egypt now is 8

Miisa 8 ankehitriny ny isan'ireo maty teto Egypta

Nokarakaraina taorian'ny antso natao tao amin'ny Facebook ny fihetsiketsehana, avy amin'ny vondrona Khaled Saeed Avokoa Isika.  Nomena ny anaran'i Khaled Saeed ny vondrona, tovolahy iray avy any Alexandria novonoin'ny polisy. Niteraka fihetsiketsehana goavana manerana ny firenena ny fahafatesany ny volana Jona, sy ny hatezerana tamin'ny fampijalian'ny polisy ary ny ‘fampiasana ny Lalànan'ny Hamehana hampihorohoroana ny olom-pirenena’. Nankalaza ny faha 29 taonany i Khaled (androany) tamin'o fotoana io raha mbola velona.

Maro, tao amin'ny Twitter, no nanome voninahitra an'i Khaled, anisan'izany i Gayed, izay nanoratra hoe :

Today would have been Khalid saeed's 29th birthday. Let's not forget him and let the world understand why we are revolting !!! #jan25

Tokony ho 29 taona androany i Khalid saeed . Aoka tsy ho adinointsika izy ary aoka ho fantatr'izao tontolo izao ny antony hikomiantsika !!!

Nokasaina atao manoloana ireo Masoivoho Egyptiana manerana izao tontolo izao ihany koa ny fihetsiketsehana. Niangavy i @ 3arabawy hoe:

People around the world, plz picket #Egypt embassies tomorrow Friday in solidarity. #Jan25

Ry vahoaka manerana izao tontolo izao, manentana anareo mba hitandahatra manoloana ny Masoivohon'ny Egypta rahampitso Zoma ho firaisankina.

Anisan'ny fitantaranay manokana ny Hetsi-panoherana tany Egypta tamin'ny taona 2011 ity lahatsoratra ity .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.