Egypta: Ny lahatsary mampiseho heloka bevava

(Marihina fa tamin'ny 17 Janoary 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nandefa lahatsary iray nalain'ny mpizaha tany tao amin'ny seranam-piaramanidina tany Egypta, izay nahitana ny polisy iray manipy valizy iray tany amin'ny vahoaka, ka nahavoa zazakely iray i  Wael Abbas, bilaogera Egyptiana hajaina sady efa nahazo ny lokan'ny media vaovao.

Azo jerena eto amin'ny YouTube ny lahatsary nalain'ny mpizahatany Amerikana iray:

Tao amin'ny mailaka nalefa ho an'i Abbas, hoy ilay mpizaha tany nanoratra:

La police égyptienne était en plein abus de pouvoir dans la zone des départs de l'aéroport en lançant ce bagage qui a atterri sur ce nouveau-né.
Les policiers ont rapidement fait sortir la maman avec le bébé, avant que la nouvelle de l'incident ne se répande dans la foule.

Ce n'est qu'un exemple parmi tant d'autres de l'incompétence et de la violence que j'ai pu constater pendant les 10 jours que j'ai passés en Egypte.
Ce régime ne devrait être soutenu par aucun pays, et surtout pas par les Etats-Unis, qui l'ont utilisé comme terrain d'entraînement pour leur actes de tortures contraires à la Constitution.
Le tourisme est la seule ressource de l'Egyptien moyen, donc, soutenez ce secteur, mais en gardant à l'esprit que le gouvernement devrait être puni et surtout par les puissances occidentales.
S'il vous plaît, faîtes savoir à vos amis dans quelles conditions lamentables le peuple égyptien vit à cause de son gouvernement militaire.

Tao anatin'ny fanararaotam-pahefana tanteraka ity polisy Egyptiana tao amin'ny seranam-piaramanidina izay nanipy ny entana ka nahavoa ity zaza menavava ity.
Namoaka haingana ilay reniny sy ny zaza ny polisy, mialoha ny tsy hiparitahan'ny zava-nitranga .

Ohatra iray amin'ireo maro mampiseho ny tsy famehezana sy ny herisetra izay hitako nandritra ny 10 andro nandehanako tany Egypta izany.
Tsy tokony hotohanan'ny firenena na iza na iza ity fitondrana ity, indrindra fa i Etazonia, izay nampiasa azy ho toeram-piofanana fampijaliana izay mifanohitra amin'ny Lalàmpanorenana.
Ny fizahantany no hany loharanom-bolan'ny Egyptiana manana fari-piainana antonony, noho izany, tohano izany sehatra izany, kanefa sady mieritreritra hatrany fa tokony hosaziana ny governemanta ary indrindra indrindra hosazian'ny hery tandrefana.
Miangavy anao, ampafantaro ny namanao ny toe-javatra mampalahelo izay iainan'ny vahoaka Egyptiana noho ny fitondrana miaramila.

Tao amin'ny bilaoginy, Egyptian Chronicles , hoy i Zeinobia nanampy hoe:

Vous voyez, le gouvernement peut ouvrir autant d'aéroports qu'il le souhaite à coup de milliards de dollars, sans jamais impressionner les gens, tant en Egypte qu'à l'étranger, à cause de l'incompétence de ses autorités. Je ne parlerai même pas des Egyptiens, car nous sommes considérés comme des citoyens de seconde zone dans notre propre pays, mais que penseront les touristes? Pensez-vous qu'ils soient aveugles devant ce qui se passe actuellement? Non, ils ne le sont pas!!

Ouvrir des aéroports flambant neufs à coups de milliards de dollars ne suffira pas à améliorer l'image de marque de l'Egypte, ce serait plutôt la façon dont les autorités du pays traitent les citoyens qui y parviendra.

Hitanao fa afaka manokatra seranam-piaramanidina marobe amina lavitrisa dolara ny governemanta kanefa tsy mahagaga loatra ny olona izany, ​​na ao Egypta na any ivelany, noho ny tsy fafahizan'ny manampahefana ao aminy. Tsy ny Egyptiana akory no resahiko eto, satria heverina ho olom-pirenena sokajy faharoa izahay eto amin'ny firenenay, kanefa ahoana hoy ireo mpizaha tany? Heverinareo ve fa jamba izy ireo manoloana ny zava-mitranga amin'izao fotoana izao ? Tsia!!

Ny fomba itondran'ny manampahefana ny olom-pirenena no mitondra fanatsarana amin'ny endrik'i Egypta fa tsy ny fanokafana ny seranam-piaramanidina amina lavitrisa dolara .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.