Fifanakalozan-kevitra mivantana tato amin'ny Global Voices momba ny lalao nifanindrianan'i Orogoay sy i Frantsa

(Marihina fa tamin'ny 10 Jona 2010 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nandray voalohany ny fiadiana ny amboara erantany amin'ny baolina kitra, izay azo lazaina fa ilay hetsika ara-panatanjahantena  manerantany malaza indrindra ny kaontinanta Afrikana. Nanasongadina ny feon'ireo olom-pirenena maro nifanakalo hevitra momba ity hetsika ity sy ny fiantraikany teo amin'ny fiarahamonina manerana izao tontolo izao ny Global Voices.

Ao anatin'ny ezaka hanohizana ny resaka dia nisy ny fifampiresahana mivantana nandritra ny lalao. Natomboka tamin'ny lalao nifaninanan'i Frantsa-Orogoay izany izay natao nandritra ny andro fanokafana ny lalao ny 11 jona 2010 tamin'ny 8:30 alina tao Afrika Atsimo .

Mifankafantatra tsara i Frantsa sy Uruguay raha nanaovan'i Orogoay aotra noho ny aotra i Frantsa, ilay tompondakan'ny amboara manerantany, nandritra ny Mondialy 2002 [1998?].

Nisy ny fiarahana nijery sy ny fifanakalozan-kevitra mivantana tamin'ity hetsika ity minitra vitsy mialoha ny nanombohan'ny lalao. Nanana mpandray anjara avy any Orogoay sy Frantsa isika, sy firenena Afrikana maro sy i Afrika Atsimo ihany koa. Bilaogera sy mpandika teny maro tato amin'ny Global Voices no nijery mivantana ny fifaninanana.

Azo jerena ao amin'ny Global Voices amin'ny teny Frantsay ihany koa ny resadresaka .

http://www.coveritlive.com/mobile.php/option=com_mobile/task=viewaltcast/altcast_code=9b3723feac

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.