Tantara tamin'ny Aogositra, 2020
Mbola mijanona ho ‘takalon'aina politika’ any am-ponjan'i Qarchak, Iran i Kylie Moore-Gilbert, akademika any Melbourne
"Mampahonena fa tsy nahomby izay nataon'ireo governemanta ao Aostralia sy ao amin'ny Fanjakana Britanika mba hanafahana ny olom-pireneny, Kylie Moore-Gilbert any am-ponja ao Iran. Tokony ho afahana io vehivavy tsy manantsiny io."
Mifandray amin'ny alalan'ny fanentanana antserasera hanoherana ny fifanarahan'i Shina sy Iran ny Iraniana sy ny Hongkongers
Na dia misy aza ny sakana ara-pitenenana sy aar-kolontsaina dia mitovy fijery ny mpikatroka avy ao Hong Kong ansy avy ao Iran raha eo amin'ny resaka fitsipahana ny tolotra fifanarahana maharitra 25 taona omen'i Shina amin'i Iran.
Fanontaniana & Valiny: Fantaro i Rany Phok, mpikatroka ho an'ny fiteny Krung
Fantaro i Rany Phok, hampiantrano ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline ny 12-18 Aogositra 2020. Hozarainy amintsika ny asa ataony ho an'ny fiteny Krung, ifampiresahana ao Kambodza.
Mpianatra mpikatroka miisa efatra nosamborina tany Hong Kong noho ny ‘fandrisihana fisintahana’ tao amin'ny tambajotra sosialy
Nisambotra tanora miisa efatra izay 16 ka hatramin'ny 21 taona ny sampan-draharaha vaovaon'ny Polisim-pirenena any Hong Kong noho ny fiahiahiana azy ireo ho nanao fandrisihana fisitahana tao amin'ny lahatsoratrany tao amin'ny tambajotra sosialy.
Mialoha fifidianana ao Trinidad & Tobago, antoko iray mampanantena hanangana “dome” hamerana ‘fidirana antsokosoko’
Tsy ampy herinandro sisa dia ho tonga ny fifidianana ankapobeny ao Trinidad sy Tobago, efa ao anatin'ny hafanany indrindra ny fiomanam-pifidianana. Fa tsy mbola nisy ny olona hanantena hahita resaka "dome" na tapabaolina ao anatin'ny fampanantenana.
Nanery an'i Pakistan hihiboka indray ny OMS rehefa nitombo ny trangana coronavirus
Nametraka ny fepetra fihibohana vaovao i Pakistan taorian'ny taratasy avy amin'ny OMS nandrisika ny firenena hanatsara ny fanaovana fitiliana sy ny famehezana ny fitomboan'ny isan'ny trangan'ny valan'aretina.
Fandaharanasa “Exchange Live” hitrandrahana ny fipongatry ny fikatrohana nomerika ho an'ny fiteny teratany
Tongava manatevina laharana anay amin'ny andiany fahatelo amin'ny fifanakalozana ety anaty aterineto momba ny fikatrohana nomerika ho an'ireo fiteny teratany, izay hatao ny Alarobia 12 Aogositra 2020
Shina: famonoan-tenan'ny mpianatra sangany iray hafa – ny tantaran'i Yang Yuanyuan
Na izany aza, tsy azo ovana ny natioran'ny olombelona. Misy fetrany foana ny fifehezan-tena ary ho montsana tanteraka raha toa ka henjana loatra.
Fantsona YouTube malaza manome torohay ny hoe ahoana izany mainty any Japana
Manasongadina antsafa ahitana mainty hoditra ampolony mponina any Japana ny fantsona YouTube malaza sy ny tranonkala The Black Experience Japan.
Brezila, navadik'ireo mpakasary ho toy ny trano fanasàna sary hanehoany ny fihibohan-dry zareo ny trano fonenany
Tetikasa iray" Obs-cu-ra", natomboka sy tarihan'i Bruno Alencastro, nanainga ireo mpakasary mba handrakitra ny fihibohan-dry zareo tamin'ny fomba tsotra dia tsotra.