Fanontaniana & Valiny: Fantaro i Rany Phok, mpikatroka ho an'ny fiteny Krung

Language activist Rany Phok posing in front of a sculpture in a park.

Rany Phok, mpikatroka ho an'ny fiteny. Sary natolotry ny “This Life Cambodia”.

Taorian'ny fanentanana nahitam-pahombiazana tamin'ny taona lasa tety anaty media sôsialy nentina nankalaza ny fahamaroam-piteny an-tserasera manerana an'i Azia, hitohy mandritra ny 2020 ny tetikasa ifandrimbonana. Isankerinandro dia hisy hifandimby hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline ireo mpikatroka sy mpanandrateny samihafa ho an'ny fiteny, hizara ny zava-niainany, ny fanao tsara indrindra, ary ireo lesona azon-dry zareo tamin'ny famelomana aina indray sy fampahafantarana ireo fiteny teratany, miaraka amin'ny fifantohana manokana amin'izay anjara toerana raisin'ny aterineto. Ity fanentanana ity dia fiarahana miasa eo amin'ny Rising Voices, ny Digital Empowerment Foundation, ary ny O Foundation.

Isankerinandro, ireo vahiny mpampiantrano ho avy eo dia hamaly fanontaniana maromaro momba ny làlana nodiaviny sy hanome topimaso fohy momba ny fitenin-dry zareo. Ity ny Fanontaniana sy Valiny niarahana tamin'i Rany Phok (@Rany46284843) izay hanome topimaso momba izay horesahany mandritra ny herinandro maha-mpampiantrano azy..

Rising Voices (RV): lazalazao anay ny momba anao azafady.

Rany Phok (RP): Ny taona 1991 aho no teraka tao amin'ny faritanin'i Ratanakiri, avaratra-atsinanan'i Kambodza. Tamin'ny alàlan'ny famokarana sarimihetsika, nandray anjara aho tamin'ny famantarana ireo olana ara-piarahamonina nitranga tao amin'ny vondrompiarahamonina misy ahy. Rehefa nahavita fiofànana iray momba ny famokarana sarimihetsika fanadihadiana, natolotry ny tetikasa Mitondra ny tenin'ireo vehivavy teratany sy ireo vondrona voahilikilika [Angl] tao amin'ny Bophana Audiovisual Resource Center, dia nanatontosa sarimihetsika fohy roa aho, ny iray tamin'ireo dia momba ny fanabeazana amin'ny fiteny Krung ao amin'ny faritanin'i Ratanakiri.

RV: Ahoana ny toerana misy ny fiteninareo ety anaty sy ivelan'ny aterineto?

RP: Vofetra ny isan'ny votoaty amin'ny fiteny Krung (គ្រឹង, tononina ihany koa hoe Kreung) ao amin'ny aterineto, tafiditra anatin'io ny media sôsialy.

RV: Mikasika lohahevitra inona no kasainao hifantohana mandritra ny herinandro izay hitantananao ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline?

RP: Mandritra ilay herinandro hanentanana, horesahako ny fiainana andavanandron'ireo vahoaka Krung sy ny fampiasàna ny fitenin-dry zareo. Eny anivon'ireo andiantaranaka tanora amin'ny vahoaka Krung, betsaka no tsy miteny io fiteny io ary betsaka ny voanteny no miha-very. Araka izany, ny sarimihetsika fanadihadiana novokariko dia nikendry handrisika ireo tanora teratany mba hampiasa ny fiteny Krung sy hitahiry azy io.

RV: Inona no tena antony manosika anao ho amin'ny fikatrohana an-tserasera ho an'ny fiteninao? Inona no fanantenanao sy nofinofinao ho an'ny fiteninao?

RP: Olana goavana ny fahaverezan'ny fiteny satria raha toa verin'ireo vahoaka teratany ny fitenin-dry zareo; very koa ny maripamantarana an-dry zareo. Amin'ny alàlan'ny famokarana sarimihetsika, ezahako ny mampivoitra ireo olana any anatin'ireo vondrompiarahamonina teratany amin'ny ankapobeny sy mikatsaka izay mety ho vahaolana azo aroso. Raha fehezina, antenaiko ny hoe hozaraina erantany ny fiteny Krung mba ho ny tsirairay no ho afaka handre ny hakantony ary mba ho afaka hitahiry ny maripamantarana azy ireo vahoaka Krung.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.