Mialoha fifidianana ao Trinidad & Tobago, antoko iray mampanantena hanangana “dome” hamerana ‘fidirana antsokosoko’

Sary-sy-soratra iray manala azy amin'ny tolotra ataon'ny United National Congress “[hanangana] dome na tapabaolina manodidina an'i T&T.” Sary mametraka ny ampingan'ny firenena anaty tapabaolina, ahitana soratra hoe “Governemantan'ny Repoblikan'i Trinidad sy Tobago, Minisiteran'ny Dome, Tany ary ny Raharahan-dranomasina”; nozaraina ao amin'ny WhatsApp sy ny fantsona media sosialy hafa.

Hotontosaina amin'ny faha-10 ny aogositra ho avy izao ny fifidianana ankapobeny eto Trinidad sy Tobago, ka rehefa tsy ampy herinandro sisa, dia mankany amin'ny fihafanany indrindra ny fifidianana.

Na dia eo aza ny fitomboan'isan'ny tratran'ny COVID-19 ao amin'ny firenena, dia zary efa mahazatra ny mahita ny mpanohana ireo antoko politika lehibe roa — ny mitondra amin'izao fotoana People's National Movement (PNM) sy ny ao amin'ny faoherana United National Congress (UNC) — mivory manodidina ireo kamiao mitabataban-kirahira mandehandeha manavatsava ireo toerana be mpifidy.

Raha mety ho liana handre izay paikadin'ny kandidà manoloana ny COVID-19 ny mpifidy, tsy nisy ny nanantena ilay tolotra sahaza ny hoavy, navoakan'ny UNC, amin'ny “fananganana dome manodidina an'i T&T” ho “fiarovana ny firenentsika tsy hidiran'ireo tsy ara-dalàna avy any ivelany sy ny asany.” Ny hevitra dia ny handroso doka manome antsipiriany ny drafi-pamalian'ny antoko amin'ny COVID-19.

NIfampizarana betsaka ao amin'ny media sosialy, lazain'ilay doka fa raha voafidy ny antoko dia “ho afa-miasa ao anatin'ny iray volana ilay tapabaolina ary ho afa-miasa tanteraka ao anatin'ny enimbolana”:

Pikantsarin'ny doka manome antsipiriany ny drafi-pamaliana sy fahavonona amin'ny COVID-19 Atolotry ny United National Congress, nozaraina betsaka o amin'ny sehatra media sosialy.

Haingana ny setriny — sady mampihomehy. Tao anatin'ny fotoana fohy, nironana tao an-toerana ny farangon-teny — #KamlaDome2020 —:

Ireo avy any ivelany tsy ara-dalàna miezaka ny hiditra ao [KamlaDome2020]

Izaho manadino fa manana tapabaolina

Mpisera Twitter maro no manala azy amin'ny fanontaniana ny tenany hoe ahoana marina moa izany no hananganana ilay tapabaolina:

Orinasam-pananganana eo am-pieritreretana hoe ahoana ny hananganana ilay tapabaolina

So Shuri avy ao amin'ny Black Panther nahazo ny fifanarahana hanangana ilay tapabaolina

Mpisera Facebook antsoina hoe Quweina Roberts, milelaka ny takolany, mahatsapa fa ho hirika hisian'ny fampiasana olona vaovao ny tapabaolina vaovao:

Andian'asa vaovao iray manontolo no miforona, Mpandraharahan'ny “dome”, mpanaramason'ny “dome”, mpiandry ny “dome”, developeran'ny “dome”, mpitantana ny “dome”, mpandray olona ao amin'ny “dome”, manampahefana fanohanana ny “dome” sns

Fotoana vitsy monja no nandrasana dia azon'ny The Simpsons koa ny anjaran'ny tao an-toerana:

Kamla – hitanao ve ny the Simpson? Aoka moa e! aza miteny fanampiny intsony

Nisy sarimihetsika hafa ihany koa nanaraka:

Nahazo tany ho tombony tao an-tanindrazana ny andriamasinavalon'i Tobago,  Watson sy Winston, rehefa nitaika ny andiatafika nankao Venezoelà Atsinanana/Helodranon'i Paria Andrefana, tao amin'ny Ady hahazoana an'i Helms Lalina ry zareo.

Mandritra izany fotoana izany, mpisera Twitter iray mbola mieritreritra amin'ny karazan-tsehatra rehetra mety hitranga izay mety ho lasa tsy mety rehefa voaorina ny tapabaolina:

Rehefa tonga ny 11 aogositra… ary mamoa-tsetroka tahaka ny trondro nahandro isika

Ireo lehilahy miezaka mambabo fom-behivavy mpiambina mba hanokatra ny sarona rehefa mandika ny tsy fahazoana mivoaka ny “dome” ianao

Manahy ny amin'ny fahasalamany ny mpisera Twitter maro:

Mila fanivanan-drivotra izahay hiatrehana ny vovok'i Sahara

Efa eo ampiheverana ihany koa ny fiakaran'ny hafanana:

Manantena fotsiny aho fa hanana A/C (JIRO) MAHATALANJONA ny tapabaolina satria raha ny fomba filentehan'ny masoandro tao ho ao izay aloha; tena tsy ho afaka fotsiny izao aho

Misy ihany koa ireo zava-mitovy mampitokelaka nataon'ny Filohan'i Etazonia Donald Trump rehefa miresaka ny fananganana rindrina amin'ny sisitany ifanolorana amin'i Meksika, nahatonga ny mpisera Twitter iray handrabiraby:

Iza no handoa ny vola fananganana ny tapabaolina? Venezoelà?

Maro ireo manam-panontaniana — fanontaniana maro dia maro:

Ahoana ny fomba itenenan-dry zareo ity resaka “dome” ity? Fandrakofana radar 360°? Zanabolana? Ilay tena izy rafetin'ny tatelimby (drone) hijery antsika rehetra?

Mpitarika ny UNC eo ampanazavana amin'ny firenena ny fomba hananganana ny tapabaolina amin'ny Wakandan vibranium

Rehefa tsikaritry ny UNC fa lasa esoeso manerana ny firenena ilay resaka “dome”, dia novain-dry zareo ny fomba fanoratana ny doka, ary nilaza avy eo ny mpanohana azy fa nodisoina ny dikany fa tena “dome radar” ilay izy.

Raha misy ireo mpisera Twitter vitsivitsy niomana hanao resaka matotra momba ilay resaka tapabaolina, dia tsy afa-mampandeha azy fotsiny izay ny maro an'isa:

Ho velona mandrakizay tahaka ny [dome kamla 2020] ao am-ponay ity

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.