Tamin'ny fiandohan'ny volana Jona, nandefa taratasy ho an'ny faritany rehetra ao Pakistan ny OMS Sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana nanambara fa tafiditra ao anaty lisitr'ireo firenena miisa 10 voalohany eto amin'izao tontolo izao ahitana ny tranga vaovao amin'ny COVID-19 isan'andro betsaka indrindra ny firenena. Taorian'ny adihevitra dia nanapa-kevitra i Pakistan fa hametraka «fihibohana somaritra» sy hametraka paikady fitiliana any amin'ireo faritra any amin'ny firenena izay heverina ho foiben'ny coronavirus.
Olona miisa 173,590 amin'izao fotoana izao no voamarina fa mitondra ny tsimokaretina any Pakistan ary 3,590 no maty tamin'ilay viriosy. Nangataka ireo olom-pirenena ny governemanta mba hanaraka ny fepetra, tsy hivoaka ny trano, hanao sarotava sy hanasa tanana satria tsy afaka mandray an-tanana ny ankamaroan'ny tranga vaovao ny rafi-pitsaboana.
As COVID-19 cases jumped to 165,062 after 4,944 new infections were detected in Pakistan over the past 24 hours while 136 more people succumbed to the deadly disease, is the smart lockdown proving to be effective? pic.twitter.com/E0zJHwW77q
— Global Village Space (@GVS_News) June 21, 2020
Raha niakatra ho 165 062 ny trangana COVID-19 taorian'ny nahitana ny tranga vaovao miisa 4 944 tany Pakistan tao anatin'ny 24 ora ary olona miisa 136 hafa no maty tamin'ity aretina mahafaty ity. Moa ve mahomby ny fihibohana somaritra ?
Nitombo ny isan'ny tranga rehefa nohalefahana ny fepetra
Tamin'ny tapaka ny volana Martsa, nanomboka nametraka ny fepetra voalohany tamin'ny fihibohana ny governemanta Pakistaney. Nilaza ny praiminisitra Imran Khan tamin'ny voalohany fa tsy afaka mihiboka tanteraka i Pakistan satria mety ho fatin'ny hanoanana ny 25%-n'ny olona izay miaina an-tokonan'ny fahantrana farahidiny. Noraran'ny governemanta ny famoriam-bahoaka, nakatona ny trano fisakafoanana sy ny hetsika andavanandro rehetra ary nohidiana ny ivontoeram-pampianarana hatramin'ny 15 Jolay, raha mbola misokatra kosa ny fivarotana entana ilaina andavanandro isankarazany, ny fivarotana legioma sy voankazo ary ny toeram-pivarotam-panafody.
Ny 10 May, roa herinandro talohan'ny Eid, fankalazana Islamika aorian'ny Ramadany, nanalefaka ny fihibohana ny governemanta taorian'ny fitakiana nataon'ny tontolon'ny fandraharahana mba hanalefahan'ny governemanta ny fepetra. Namoaka fanamarihana Suo Motu (fanamarihan'ny mpitsara rehefa mahatsikaritra fa misy ny tombontsoam-bahoaka nefa tsy misy antoko mangataka momba izany) ny Fitsarana Tampony any Pakistan ary nanome baiko ny governemanta hanokatra indray ireo trano fivarotana manerana ny firenena.
Pakistan reports 520 new cases and 17 new deaths in the past 24 hours. We are not ready to ease the lockdown. The state, such that it is, is privileging some half-baked idea of economic necessity over the lives of many.
— Kamini Masood (@hastobuud) April 16, 2020
Nahitana tranga vaovao miisa 520 ary maty miisa 17 tao anatin'ny 24 ora tao Pakistan. Tsy vonona ny hanalefaka ny fihibohana isika. Ny fanjakana, araka izany dia nanome tombontsoa ny hevitra ara-toekarena manoloana ny ain'ny olona maro.
Mihevitra ny Fikambanan'ny Mpitsabo any Pakistan fa tokony ho matotra kokoa ny governemanta misahana ny tsimokaretina ary tokony hamerina hijery ny fanapaha-kevitr'izy ireo ny Fitsarana Tampony. Manahy ireo dokotera fa tsy manana fotodrafitrasa ampy hiatrehana ireo marary ny firenena raha toa ka misafidy ny hanery ny fahazakana aretina ho an'ny daholobe ny fanjakana.
Rehefa nohalefahana ny fihibohana dia nangatahana ny besinimaro mba “ho olom-pirenena tompon'andraikitra sy maranintsaina”; na izany aza, nirohotra hiantsena Eid ny olona an'arivony ary nandika ny fepetra rehetra. Tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ireo mpiantsena, tsy nino ny fisian'ny coronavirus izy ireo.
????#Peshawar Sadar Bazar today
Note: Peshawar is the city leading with deaths because of #COVID__19 in #Pakistan, daily 80+ positive cases and after ease in lockdown this is situation pic.twitter.com/WCn8hvQJR3
— Jalal Qazi (@JalalQazi) May 11, 2020
Fanamarihana: Peshawar no tanàndehibe mitarika amin'ny fahafatesana noho ny # COVID__19 ao #Pakistan, ahitana tranga miisa 80 mihoatra isan'andro taorian'ny fanalefahana ny fihibohana.
Taorian'ny iray volana nisokafana, nahatratra 100 000 ny tranga tao Pakistan izay nanery mafy ny rafi-pitsaboana.
You can predict peak only when you have taken the necessary steps (lockdown, aggressive testing, and contact tracing etc.)
Pakistan has slackened on these steps. hence the peak projection keeps shifting from one month to the other. /2https://t.co/2T5aCLw3aH
— Awais Saleem (@awaissaleem77) June 21, 2020
Afa-maminavina ny tendro ianao raha nandray ny fepetra ilaina (fihibohana, fanaovana fitiliana maro, ary ny tsongodian-kasoka sns).
Tsy nanaraka intsony ireny dingana ireny i Pakistan, miovaova isam-bolana noho izany ny isa faratampony.
Araka ny efa niheverana azy dia nanomboka niakatra ny isan'ny tranga ary nanamarika ny taratasy avy amin'ny OMS fa tsy ampy ny fitiliana nataon'i Pakistan ary tsy maintsy mampiakatra ny isan'izany izy ireo. Nisioka momba izany i Bilawal Bhutto, Filohan'ny Antokom-bahoaka Pakistaney :
WHO letter to Sindh government raises valid concerns & suggestions. Will be discussed by Sindh govt before being taken up at national level. We’ve long called for national policy to be linked to facts & our own capacity. Unfortunately so far this hasn’t been national approach.
— BilawalBhuttoZardari (@BBhuttoZardari) June 9, 2020
Nilaza ny ahiahiny sy nanolotra sosokevitra ny taratasin'ny OMS ho an'ny governemanta Sindh. Horesahin'n govt Sindh izany mialoha ny hampiharana azy eo amin'ny sehatra nasionaly. Efa ela izahay no nitaky ny politikam-pirenena mba hifandray amin'ny zava-misy sy amin'ny fahafahana miatrika izany manokana. Saingy hatramin'izao dia tsy mbola nisy ny fandraisana andraikitra nasionaly.
Nampitandrina tao amin'ny antsafa ho an'ny mpanao gazety ny Minisitry ny Drafitra, ny Fampandrosoana ary ny Hetsika Manokana, Asad Umar, fa mety hitombo avo roa heny ny tranga COVID-19 amin'ny faran'ny volana ary mahatratra 1 tapitrisa ka hatramin'ny 1,2 tapitrisa ny faran'ny volana Jolay raha toa ka tsy manaraka ny fepetra fisorohana ny besinimaro.
Fampiharana ny fihibohana mahomby
Nampisy fisavorovoroana sy olana ny fanapahan-kevitra noraisin'ny governemanta Pakistaney tamin'ny herinandro lasa teo momba ny fampiharana ny fihibohana ‘voafaritra’ sy ‘somaritra’. Fitsongoana dia, ny fanaraha-maso, ny fitiliana ary ny fanokana-monina niaraka tamin'ny fanampian'ny sampan-draharahan'ny fiarovam-pirenena nasionaly mba hampiatoana ny fihanaky ny coronavirus no anton'ny fihibohana mahomby. Ny hamehy ny faritra ahitana olona maro tratran'ny tsimokaretina nefa sady manalefaka ihany ny famerana ara-toekarena araka ny fepetra SOPs no tanjona. Saingy niady hevitra momba io fanapahan-kevitra io ny mpiseran'ny tambajotra sosialy satria mihevtira izy ireo fa tokony hihiboka tanteraka i Pakistan.
“Sakht lockdown”
“narm lockdown”
” smart knockdown”
“selected lockdown”
“Hafta itwar band baqi din khuly”
Pakistan aa k corona b pagal ho gya hai;)— Aleezy_khan? (@victorious_55) June 21, 2020
“Strict lockdown”
“Mild lockdown”
“Smart knockdown”
“Selected lockdown”
“Markets Closed on Saturday Sunday rest of days open”
After coming to Pakistan corona has gone mad 😉
“Fihibohana henjana”
“Fihibohana malefaka”
“Fihibohana mahomby”
“Fihibohana voafaritra”
“Tsena mihidy ny Asabotsy sy Alahady fa misokatra ny andro sisa”
Tsy voafehy intsony ny corona rehefa tonga tany Pakistan;)
Miatrika olana amin'ny fampiharana ny fihibohana mahomby ny faritany sasany toa an'i Sindh, noho ny tsy fisian'ny loharanom-bola sy ny mpiasa ary ny tsy fifankahazoan-kevitra eo amin'ny vahoaka.
Taorian'ny taratasy avy amin'ny OMS, nanomboka namerina nihiboka indray ny faritany rehetra tany amin'ireo faritra izay betsaka tranga coronavirus. Manaraka ny paikady amin'ny fitsongoana dia, ny fanaovana fitiliana ary ny fanokana-monina ny governemanta, taorian'ny arofenitra henjana nomen'ny OMS ary mampiasa teknolojia, mpitandro ny filaminana ary ekipa mpirotsaka an-tsitrapo ihany koa mba hanampy amin'ny famaritana ny fanarahana ny fepetra.