Tantara tamin'ny Mey, 2020
Noravan'ny ny polisy tamin-kerisetra ny fihetsiketsehana nataon'ny mpiasan'ny fahasalamana tany Balochistan, Pakistan
Nanao fihetsiketsehana tany amin'ny faritany Balochistan any Pakistan ny mpitsabo matihanina mba hanomezana azy ireo ny Fitaovana Fiarovana Manokana (PPE) mba hiarovana azy ireo amin'ny fifindran'ny coronavirus avy amin'ireo marary kanefa nosamborina ry zareo.
Mamoaka hira ao amin'ny YouTube ny kintan'ny pop malaza ao Japana ho famelombeloman'aina mandritra ny fihibohana
Rehefa nofoanana moa izany ny fitetezan-kianja fanao isaky ny lohataona sy ny andro mafana, dia maro ireo kintana malazan'ny pop japoney no nanapa-kevitra ny hanainga ny toetsain'ny mpankasitraka mihiboka an-trano amin'izao fotoana izao namoaka manontolo ny kaonseritra sy rakikira jerena maimaimpoana ao amin'ny YouTube.
Amin'ny tratran'ny COVID-19 efa ho 20.000 ao Balkans, ampahatelony mihoatra no ao Serbia
Tsy niraharaha ity areti-mandringana ity i Serbia tamin'ny voalohany ary nananihany aza
Aingam-panahy, tolona, rabiraby talohan'ny nahatongavan'ny Espaniôla : Ny zavakanton'i Manuel Ruelas avy ao Meksika
"Ao Meksika, ny zava-maharary farany dia ny fahafatesana, izay no antony mahatonga azy io ho fotokevitra tsy misaraka amin'ny asako."
Vehivavy mijanona an-trano ao Arzantina nanao fihetsiketsehana avy eny am-baravarakely noho ny firongatry ny famonoana vehivavy
Nitombo 60 isanjato ny antso vonjy an-telefaonina hatramin'ny nanombohan'ny tsy maintsy hihobohana tamin'ny 20 Martsa.
Manandratra ny firaisankina ao anatin'izao krizin'ny COVID-19 izao ny hiran-tahaka nalaza tamin'ny Eurovision avy ao Moldavia
Nampitondraina ny lohateny hoe "Mom, stay home," [mama, mitoera an-trano] ny hiran-tahaka hanentanana ny olom-pirenena hanaraka ny fandrisihan'ny Fikambanana Manerantany misahana ny Fahasalamana (WHO-OMS) sady mandefa onja tsara ho an'ireo zokiolona, izay marefo indrindra amin'ity aretina ity.
Ny fomba nataon'i ISIS nametrahany ny dindo maintiny tao Siria
Raha mitàna andraikitra amin'ny niroboroboan'ny ISIS i Siria, mbola ilay firenena ihany koa no mizaka ny vesatry ny herisetra ataon'ilay vondrona, hoy i Marcell Shehwaro.
Vaovao farany Lingua volana Martsa 2020
Manolotra antsika ny vaovao farany Lingua volana Martsa 2020 ny mpitantana ny Lingua.
Manamboatra fiarotava i Shina noho ny tinady manerantany nateraky ny COVID-19
Noho ny tinadim-piarotava sy vokatra ara-pitsaboana hafa mitombo izaitsizy manerana ny tany, nanova ireo zotram-panambatambaram-bokatra hahavaly izany tinady izany ny orinasa shinoa.
Vaovao farany Lingua volana Febroary 2020
Manolotra antsika ny vaovao farany Lingua volana Febroary 2020 ny mpitantana ny Lingua.