Amin'ny tratran'ny COVID-19 efa ho 20.000 ao Balkans, ampahatelony mihoatra no ao Serbia

Man wearing a mask in Skopje, North Macedonia. Photo by Meta.mk News Agency, used with permission.

Lehilahy manao maska ao Skopje, Makedonia Avaratra. Saripikan'ny Masoivohom-baovao Meta.mk, nahazoana alalana.

Ny tantara etoana dia mifototra amin'ny fitateram-botoaty nataon'ny mpiara-miombon'antoka amin'ny Global Voices izay tsy iza fa ny Meta.mk ews Agency, tetikasan'ny Orina Mpanasoa Metamorphosis

Zahao ny pejy manokan'ny Global Voices miresaka ny fiantraika manerantanin'ny COVID-19.

Roa volana taorian'ny nandraketana fisian'ny tranga COVID-19 voalohany tao Kroasia, ho firenena voalohany ao Balkan nanamarina tamin'ny fomba ofisialy ny fisian'ny viriosy, efa ho 20.000 amin'izao fotoana izao ny mponina ao amin'ny firenena folo ao Balkan no tratran'ny viriosy.

Ny lahatsary manaraka etoana no mampiseho ny isan'ny tranga notaterina amin'ny fomba ofisialy tao amin-dry Balkans tanelanelan'ny 24 Febroary ka hatramin'ny 24 Avrily 2020.

Ny tena nanaitra indrindra tamin'ity antotanisa ofisialy navoakan'ny Fikambanana Iraisampirenena Misahana ny Fahasalamana, ny Oniversite Johns Hopkins ary ny Worldometer ity dia ampahatelony mihoatra amin'ny tranga no ao Serbia, firenena iray ao Balkan izay tsy miraharaha ity areti-mandringana ity ny governemantany ary mananihany momba azy ity aza.

Nitsikera ny governemantany ny olom-pirenena Serba ao amin'ny tambajotra ofisialy noho ny nanomanan'ny Antoko Serba Liam-pandrosoana (SNS) famorian'olona maro dia maro, indrindra indrindra, andro vitsivitsy talohan'ny nanambarana hamehana tamin'ny 15 marsa. Izany lanonana izany dia tao anatin'ny fikarakarana fifidianana parlemantera, izay nokasaina hotontosaina tamin'ny 26 Avrily tany am-boalohany, saingy nahemotra noho ny areti-mandringana coronavirus.

Filaharana matevitevina amin'ireo mpanohana ny SNS an'arivony no hita teny an'arebe hanambara ny fitokisan-dry zareo ny mpitarika ny antoko Aleksandar Vučić, ao anatin'ny fanentanana mandrendri-bahoaka, izay nokendrena hanehoana ny fanohanan'ny vahoaka ireo kandindàn'ny lisitra misy azy.

Aza adinoina mandrakizay! Marsa 2020. #Covid19 #Serbia #Srbija

Montenegro no manana tranga COVID-19 vitsy indrindra ahitana olona 319 monja tratrany.

Samy ahitana tranga mihoatra ny 2000 ny ao Gresy sy ny ao Kroasia, ary samy ahitana tranga COVID-19 mihoatra ny 1000 ihany koa ny ao Bosnia, Bolgaria, Makedonia Avaratra ary Slovenia hatramin'ny niparitahan'ny valanaretina.

Samy ahitana tranga manodidina any 650 ny ao Kosovo sy Albania.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.