Noravan'ny ny polisy tamin-kerisetra ny fihetsiketsehana nataon'ny mpiasan'ny fahasalamana tany Balochistan, Pakistan

Image by fernando zhiminaicela from Pixabay. Used under a Pixabay License.

Sary avy amin'i Fernando Zhiminaicela tao amin'ny Pixabay. Nampiasana Lisansa Pixabay .

Zahao ny fitantarana manokana ataon'ny Global Voices momba ny fiantraikan'ny COVID-19 manerantany.

Tamin'ny 6 Aprily 2020, nanao fihetsiketsehana ny mpiasan'ny fahasalamana tao Quetta, renivohitry ny faritany Balochistan, nitaky fitaovana fiarovana (PPE) bebe kokoa ho an'ny mpiasa. Nampiasa kibay ireo polisy nandravana ireo mpanao fihetsiketsehana ary mpiasan'ny fahasalamana miisa 150 teo ho eo no nosamborin'izy ireo.

Misy mararin'ny coronavirus miisa 4.000 any Pakistan ary miasa amin'ny fitaovana izay voafetra ananany ireo mpitsabo matihanina. Raha nomena PPE ny dokotera miasa mivantana amin'ny marary voan'ny coronavirus dia milaza kosa ny mpiasan'ny fahasalamana izay mandray mararin'ny aretina hafa fa noterena hiasa tsy ampy fiarovana izy ireo. Hatreto, mpitsabo miisa 18 no nifindran'ny aretina tao amin'ny faritany teo ampanatontosana ny asany.

Midera ny dokotera amin'ny andraikitr'izy ireo sy ny adiny amin'ny corona izao tontolo izao. Aty Quetta, Pakistan, ampijaliana, samborina ary alaina baraka izy ireo satria mitaky fitaovana fiarovana.

Mandritra ny fandravaravan'ny valanaretina, Pakistan ihany no firenena managadra mpitsabo noho ny fitakian'izy ireo fitaovana ho fiarovana azy ireo.

Nisioka i Aroosa Shaukat, mpanao gazety:

Mampalahelo ny fanehoana ny fahaiza-mitantana ao Balochistan amin'izao fotoana izao. Voasambotra ny dokotera noho ny fihetsiketsehana tamin'ny tsy fahombiazan'ny governemanta nanome azy ireo ny PPE hitsaboana ny mararin'ny Covid-19. Sary mampalahelo loatra avy any Quetta

Ho valin'ny fisamborana dia niantso fitokonana ny Fikambanan'ny Tanora Mpitsabo ao Balochistan any amin'ny toeram-pitsaboana izay tsy mbola ahitana ny valanaretina manerana ny faritany. Noho ny tsindry nataon'izy ireo, navotsotra ny alatsinainy hariva ireo mpitsabo nosamborina ary niala tao amin'ny tobin'ny polisy rehefa nomen'ny tompon'andraikitra toky fa omena PPE izy ireo. Tamin'ny 7 Aprily, naaton'ireo dokotera ny fitokonana rehefa nanaiky ny hanome fitaovana PPE ary hanalava ny fifanarahana ho an'ny dokotera miisa 533 ny governemanta.

Nanameloka ny fihetsika natao tamin'ny mpitsabo ny Dr. Zafar Mirza, manampy manokana ny praiminisitra amin'ny raharaha fahasalamam-bahoaka ary nomeny toky ny daholobe fa ny fiarovana ny mpiasan'ny fahasalamana no tena laharam-pahamehan'ny governemanta.

Ao anatin'ny ezaka ataon'ny governemanta Pakistaney amin'ny fanomezana kojakoja sy fampitaovana, nanaiky i Shina hanome fanampiana ho an'i Sindh, Gilgit-Baltistan ary Islamabad. Nanaiky hanome fitaovana ara-pahasalamana ihany koa ny governemanta Japoney .

Nanohy ny fanomezana kojakoja ara-pitsaboana — PPE sy ny fitaovana fanaovana fitiliana — ny Fahefana Nasionaly mitantana ny [vonjy] Voina ao Pakistan  (NDMA) ary efa tonga avy any Shina ny sasany tamin'izany. Tamin'ny 7 Aprily, nandefa fanampiana hamehana ara-pitsaboana tany Balochistan ihany koa ny Tafika Pakistaney mba ho zaraina mivantana any amin'ny tobim-pahasalamana.

Nalefa tany Quetta araka ny komandin'ny COAS ny famatsiana ara-pitsaboana noho ny hamehana anisan'izany ny PPE mba hanampiana ireo ekipan'ny mpitsabo hiadiana amin'ny Covid-19 amin'ny fomba mahomby any Balochistan. “Ny mpitsabo sy ny mpitsabo mpanampy no miaramila lohalaharana amin'ity ady ity …” (1/2)

Ny mpiasan'ny fahasalamana no lohalaharana amin'ny ady amin'ny COVID-19 ka mahatonga azy ireo ho mora voan'ny areti-mifindra. Marina izany manerana ny firenena ary mpitsabo miisa roa no maty tany Pakistan hatreto. Niresaka tamin'i Dr. Nauman, anestezista ao amin'ny Hopitaliben'ny Distrika ao an-tanàndehiben'i Dera Ghazi Khan ny Global Voices taorian'ny nahitana azy fa tratran'ny viriosy:

We have been working with insufficient kits, inappropriate quarantine facilities, and the kits are not up to WHO standards. There are about fourteen staff members including doctors, effected by the virus. The Government was responding to our needs, however, in the last two days there seems to be some communication gap between the hospital and Government officials.

Niasa tsy ampy fitaovana izahay, trano fanokana-monina tsy araka ny tokony ho izy ary tsy mahafeno ny fenitry ny OMS ny fitaovana. Miisa efatra ambin'ny folo eo ho eo ny mpiasa, anisan'izany ny dokotera izay tratran'ny virosy. Namaly ny fangatahanay ny governemanta, saingy tao anatin'ny roa andro farany anefa dia toa tsy nisy ny fifandraisana teo amin'ny hopitaly sy ny manampahefanan'ny governemanta.

Feno teny fankasitrahana ireo mpitsabo sy ny mpiasan'ny fahasalamana tao amin'ny tambajotra sosialy; na izany aza, maro ny olona nanamarika fa tsy mila fankasitrahana izy ireo fa fitaovana PPE sy trano fanokana-monina azo iadiana amin'ilay viriosy.

Milalao amin'ny fitaovana fanampiana hiadiana amin'ny corona ny zanaky ny Minisitra raha manao ny asany tsy misy fitaovana kosa ny dokotera sy ny mpitsabo.
Iray fa tsy Roa i Pakistan …

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.