13 Jona 2019

Tantara tamin'ny 13 Jona 2019

Taratasim-pifandraisan'ny mpandika: Fototry ny Teny, Mandika an'i Eoropa, sy zavatra maro hafa!

Blaogim-Piarahamonina GV  13 Jona 2019

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2015) Arahaba daholo! Ialana tsiny ny fahataràn'ny taratasin-pifandraisana taminì'ity herinandro ity. Dia tonga eto amin'ity Talata mahafinaritra ity isika izao hiresahana aminareo ny momba ny … Fototry ny teny Efa mba nanontany tena angamba ianareo ny amin'izay mampiavaka ny olombelona amin'ny biby hafa? Noraisin'i...

Iran Inside Out

Rising Voices  13 Jona 2019

Iran Inside Out no tetikasa voalohany natokana hampiroboroboana ny fampandrosoana sy ny fizaràna horonantsary sy lahatsary antserasera ao Iran. Niara-niasa tamin'ireo klioban'ny horonantsari-mihetsika ao Tehran ny mpitarika ny tetikasa, Shaghayegh Azimi mba hamantatra ireo tanora mpamokatra sarimihetsika ka handrisika sy hanohana azy ireo hamokatra horonantsary sy hamoaka azy ireo antserasera.

Zavatra tena iainana amin'ny vanim-potoana nomerika

Rising Voices  13 Jona 2019

Manondro ny tenany ho "toeram-pizahantany manaraka" any Shina ny tanànan'i Shenyang, renivohitry ny faritany Liaoning. Saingy raha mitsidika ireo pagôdy fahiny ao amin'ny Tanàna Fahiny na ny "Faritra Fampandrosoana ny Indostrian'ny Teknolojia Avo Lenta" ianao, dia tsy holazain'ny takelaka ho an'ny mpizahatany mihitsy ireo mpivaro-tena lehilahy sy vehivavy izay avy amin'ny vondrom-piarahamonina ambanivohitra.

Chariboan Joi

Rising Voices  13 Jona 2019

Mitrandraka ny fomba fampiasana finday mba hitantarana ny hetsika sy hanampy amin'ny fandraketana ireo angano sy tantara zarain'ireo mpanakanto eo an-toerana amin'ny fitenin-drazana Shipibo sy nadika tamin'ny fiteny hafa ireo mpitati-vaovao nofanina vao haingana avy ao amin'ny Fikambanan'ny Tanora Tompotany ao amin'ny Faritra Ucayali (OJIRU).

Mandrava ny fahanginana ao Kwa Mashu

Rising Voices  13 Jona 2019

Ao amin'ny tanànan'i Kwa Mashu, any ambanivohitr'i Durban, Afrika Atsimo, mampiasa ny laboratoarany Ekhaya Imagination Lab ny Tetikasa Fampandrosoana ny Fiarahamonina Kwa Mashu (K-CAP) mba hampiofanana ireo olon-tsotra tia mampita vaovao 20 avy ao an-tanàna

Ceasefire Liberia

Rising Voices  13 Jona 2019

Eo andrefan'i Côte d'Ivoire ihany no misy an'i Liberia, izay manana mponina eo amin'ny 3,5 tapitrisa eo ho eo. Nonenan'ireo andevo afaka avy any Etazonia tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-19, tafiditra tao anatin'ny ady an-trano sy korontana naharitra 14 taona i Liberia izay nifarana tamin'ny faran'ny taona 2003 tamin'ny fahatongavan'ny CEDEAO sy ny Firenena Mikambana.