Taratasim-pifandraisan'ny mpandika: Fototry ny Teny, Mandika an'i Eoropa, sy zavatra maro hafa!

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2015)

gvlogo

Arahaba daholo!

Ialana tsiny ny fahataràn'ny taratasin-pifandraisana taminì'ity herinandro ity. Dia tonga eto amin'ity Talata mahafinaritra ity isika izao hiresahana aminareo ny momba ny …

Fototry ny teny

Screenshot taken from www.theguardian.com

Pikantsary nalaina tao amin'ny www.theguardian.com

Efa mba nanontany tena angamba ianareo ny amin'izay mampiavaka ny olombelona amin'ny biby hafa? Noraisin'i Paul Ibbotson sy Michael Tomasello io fanontaniana io ao anatin'ìty lohahevitra ity, ao amin'ny The Guardian ary iresahana ireo lohahevitra mikasika ny teny, miainga avy amin'ny gramera ka hatramin'ny harentsaina fahaizana mamanta-javatra iraisan'ny rehetra, ary zavatra maro hafa. Vako ato ny momba an'izay!

Mandika an'i Eoropa

Screenshot taken from termcoord.eu

Pikantsary avy tao amin'ny termcoord.eu

Nihaona tamin'ny 29 sy 30 Oktobra 2015 mba hiresaka ireo fahafahana sy tombontsoa entin'ny fametrahana tambajotra ho an'ireo mpandika teny ny Vovonana Mandika an'i Eoropa, nokarakarain'ny Departemanta Jeneraly ho an'ny Fandikanteny ao amin'ny Kaomisiona Eoropeàna. Hoy ny tatitry ny Terminology Coordination :

Ny tanjon'ny “Mandika an'i Eoropa“ dia ny hanomezana fahafahana ho an'ny tanora mba hizara ny heviny, tetikasa, traikefa ary ny fomba fijery vaovao ao anatin'ny sahan'asa mifandraika amin'ny fandikanteny” ary “hanomezana ireo fahafahana sy tombontsoa entin'ny fametrahana tambajotra ho an'ireo mpianatra, ireo mpandika teny vao misondrotra, ireo mpiahy sy matihanina”.

Fantaro bebe kokoa ato ny momba ilay hetsika, ary ato anatinity lahatsary fohy ity koa!

Andran-tsira amin'ny fandikanteny

Screenshot taken from www.adweek.com

Pikantsary avy ao amin'ny www.adweek.com

Raha mety tsy tonga tao an'reitreritrao fa ny olombelona no mbola mpandikateny tsara indrindra noho ny Google, nanapaka hevitra ny ElaN Languages hampahatsiahy antsika ny amin'izay! Namorona lahatsary iray ry zareo nomeny lohateny hoe “Andran-tsira amin'ny fandikànteny”, ampisehoana  “lehibe-na toeram-pahandroan-tsakafo iray (chef cooking) ny fomba fikarakaràna sakafo Japoney mitovy izao , saingy nadikan'ny tarik'ireo olombelona manampahaizana avy amin'ny ElaN ary nampitahaina tamin'ny vokatry ny milina mibaiko tena an'ny Google Translate”. Jereo anie ato e!

Fandikànteny diso

Screenshot taken from whatculture.com

Pikantsary avy ao amin'ny whatculture.com

Mba hitondrana tsikitsiky kely ho antsika ankoatra ireo vaovao mahasosotra rentsika tanatin'ny herinandro, nihevitra aho fa tsara raha faranana aminà asa fandikànteny mahatsikaiky ity taratasin-pifandraisan'ny herinandro ity, atao anaty lalao an-dahatsary. Ny What Culture no nanambatra ity lisitra ity hahazoanareo fahafinaretana eo am-pitsikiana, koa dia ankafizo ary mirary Talata feno fifaliana!

——-

Toy ny mahazatra, misaotra anareo amin'ny asa mafy sy ny fanokanantena omenareo ho an'ny GV!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.