01 Febroary 2019

Tantara tamin'ny 01 Febroary 2019

Iran: Niakatra fitsarana ilay bilaogera nogadraina izay anisan'ny bilaogera tanora indrindra eto amin'izao tontolo izao

GV Mpisolovava  01 Febroary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Novambra 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nitatitra ny Reporters Sans Frontières (RSF) fa niakatra fitsarana teo anoloan'ny fitsarana revolisionera any an-tanandehibe Amol any avaratra ilay bilaogera nogadraina izay tanora indrindra amin'ireo bilaogera eto amin'izao tontolo izao, antsoina hoe Navid Mohebbi, 18 taona, ary tsy azon'iza...

Shina: Napetraka ny Blue Dam (rindrambaiko fanivanana sy fanarahamaso)

GV Mpisolovava  01 Febroary 2019

Vao haingana ny governemanta ao Beijing no nangataka tamin'ireo mpamatsy tolotra aterineto sy foiben'ny angon-drakitra mba hametraka rindrambaiko antsoina hoe Blue Dam any amin'ny lohamilina rehetra. Araka ny filazan'ny Taiwan Apple Daily News, tokony hanomboka handeha androany (13 septambra) ny Blue Dam raha tsy izany hiharan'ny sazy ireo orinasa.

Shina: Nikatona ny sehatra fandikan-teny izay mandika vaovao amin'ny teny Anglisy

GV Mpisolovava  01 Febroary 2019

Nakaton'ny manampahefana Shinoa ny tranonkala fandikan-teny malaza Yeeyan.com tamin'ny herinandro lasa. Roa taona sy tapany izay no nisian'ity tranonkala ity tao amin'ny aterineto. Nandika ny votoatim-baovaon'ny gazety amin'ny teny Anglisy avy amin'ireo mpilatsaka an-tsitrapo ny tranonkala ary nanomboka niara-niasa tamin'ny The Guardian nanomboka tamin'ny volana Mey 2009.

Nakaton'i Syria indray ny Facebook

GV Mpisolovava  01 Febroary 2019

Araka ny filazan'ny Al Quds Al Arabi, mikasa ny hamerina indray ny fandraràna ny Facebook i Syria taorian'ny fandraràna voalohany ny tranonkala tambajotra sosialy tamin'ny volana Novambra 2007. Nilatsaka taorian'ny Facebook namela ireo mponina ao Golan Heights hanamarika ny firenen'izy ireo ho Isiraely izany.