Shina: Nikatona ny sehatra fandikan-teny izay mandika vaovao amin'ny teny Anglisy

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2009)

Nakaton'ny manampahefana Shinoa ny tranonkala fandikan-teny malaza Yeeyan.com tamin'ny herinandro lasa. Roa taona sy tapany izay no nisian'ity tranonkala ity tao amin'ny aterineto. Nandika ny votoatim-baovaon'ny gazety amin'ny teny Anglisy avy amin'ireo mpilatsaka an-tsitrapo ny tranonkala ary nanomboka niara-niasa tamin'ny The Guardian nanomboka tamin'ny volana Mey 2009.

Misy ny fiheverana fa vokatry ny fandikàna ny lahatsoratry ny Guardian no nahatonga ny fanakatonana. Saingy mbola tsy misy ny fanazavana ofisialy.

Alan Rusbridger, lehiben'ny tonian-dahatsoratry ny Guardian News & Media, naneho hevitra hoe:

“This is a very disconcerting development. Yeeyan is a wonderful community of mostly volunteer translators who give Chinese web users access to a wide range of content published outside China, including Guardian reporting and commentary.
“We hope this move does not represent an attempt to suppress independent-minded journalism, and that the Chinese authorities can reassure us that Yeeyan and the Guardian will be allowed to resume publication.”

“Fampandrosoana tena mahazendana ity. Yeeyan dia fikambanana mahafinaritra ahitana mpandika teny an-tsitrapo maro izay manome fahafahana ho an'ireo mpiserasera Shinoa hiditra amin'ny votoaty maro isan-karazany navoaka ivelan'i Shina, anisan'izany ny tatitra sy ny fanehoan-kevitra ao amin'ny Guardian.
“Antenainay fa tsy midika ho fikasana hanafoana ny asa fanaovan-gazety tsy miankina ity hetsika ity, ary afaka manome toky antsika ny manampahefana Shinoa fa havela hanohy ny famoahana ny Yeeyan sy ny Guardian.”

Taorian'ny nanakatonana ny tranonkala, nanoratra *taratasy fisaorana sy fialan-tsiny tao amin'ny pejy voalohan-dry zareol (amin'ny dikantenin'ny DANWEI) ny ekipa yeeyan:

Due to our errors in handling some of the articles on the website, we went against the relevant regulations; therefore Yeeyan has to temporarily shut off its server, and adjust the relevant content.
As for closing the website without giving notice, and for causing inconvenience, we are deeply sorry.
Please don't worry too much, we have saved all users’ data. We will solve the problem we face as quickly as possible, and recover the articles and personal information treasured by everyone.

Noho ny fahadisoanay tamin'ny fitantanana ireo lahatsoratra sasany tao amin'ny tranonkala, dia nandika ny fepetra manan-kery izahay; noho izany dia tsy maintsy mamono vetivety ny lohamiliny ny Yeeyan, ary manitsy ny votoaty mifanaraka amin'izany.
Mikasika ny fanakatonana ny tranonkala tsy misy filazana mialoha, ary noho ny fikorontanana naterak'izany, dia tena miala tsiny indrindra izahay.
Aza manahy loatra azafady, efa voatahirinay ny tahirin'ny mpiserasera rehetra. Hamaha ny olana atrehantsika haingana araka izay tratra izahay, ary hamerina ireo lahatsoratra sy vaovao manokana izay manan-danja aminareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.