FANAVAOZANA: Famotsorana Blaogera Gambiana Raha Ny Hatezerana Kosa Mitombo

Free Sait Matty Jaw Facebook page banner.

Fanevan'ny pejy Facebook “Afaho i Sait Matty Jaw”.

Navotsotra tsy nisy vesatra anenjehana azy i Sait Matty Jaw, Gambiana iray, bilaogera, mpikatroka sosialy sady mpisolovava ho an'ny zon'ireo vehivavy sy ireo ankizivavy voafonja nanomboka tamin'ny 5 Novambra 2014 teo. Araka ny voalazan'ireo tatitra sasany, miomana hanao fihetseketsehana maro ireo mpianatra mba ho fitakiana ny famoahana tsy misy hatak'andro an'i Jaw, izay nahasarika fanamelohana tsy azo tsinontsinoavina tany anaty media sosialy ny fisamborana azy.

Mpampianatra amin'ny sampana Tantara ao amin'ny Anjerimanontolo ao Gambia (UTG) izy, voalaza fa nalain'ireoolon'ny sampana Nasionaly misahana ny Fitsikilovana, izay sady tsy nandà no tsy nanamafy ny fisamborana azy.

Ny hatezeran'ireo mpianatra, namana ary ireo mpikatroka hafa no nanamarika ireo fanangonantsonia an-tambajotra sy ny pejy Facebook Free Sait Matty Jaw, , na tao Gambia izany na hatrany ivelany. Araka ny lalàna gambiana, tsy araka ny lalàna ny fitazonana, na iza na iza, mihoatra ny 72 ora tsy misy vesatra anenjehana.

Omar Sambou, filohan'ny Fikambanan'ireo Mpianatry ny Anjerimanontolo ao Gambia, no nanoratra teo amin'ny pejy Facebook-n'izy ireo manao hoe:

Alhamdulila, araka izay nolazaina teo aloha teo, ny Fikambanana sy ny fakàna hevitra tsy tapaka niarahana tamin'ny fitantanana sy ny fianakavian'ny rahalahy malalanay, Sait Matty Jaw, dia tafiditra tamin'ny fifanakalozankevitra. Tafody an-trano i Sait. Fisaorana mitafotafo no atolotro anareo noho ny halemem-panahinareo sy ny faharetanareo. Ho an'ireo izay niteny ratsy ahy noho ny fihetsehamponareo, miala tsiny aminareo foana aho ary tsy te-handratra ny fon'ny olona na iza na iza. Misaotra betsaka noho ireo fahasahirananareo. Tsarovy fa ho an'i Gambia, firenentsika, miezaka isika, miasa ary mivavaka mba ho hahafahan'ny rehetra hiaina anaty firaisankina, fahafahana sy  fandriampahalemana isanandro isanandro.

Sam Phatey, mpikatroka hisian'ny rariny ara-tsosialy, dia faly tamin'ny fanafahana an'i Jaw ary niantso ny hanaovana ezaka mismisy kokoa, mba hiantohana ny fahalalahana ho an'ireo rehetra voatazona sy nofonjaina noho ny resaka politika.

Voamarina! Afaka i Jaw ankehitriny, araka ny loharanom-baovao iray akaiky ny fianakaviana! AFAKA IHANY NONY FARANY! AFAKA IHANY NONY FARANY! Afaka ihany i Sait Matty Jaw!!! #HopeIsYou Mitohy ny tolona- Afaho i Momodou Sabally, Afaho i Amadou Sanneh, Afaho i Alhaji sy Ebou, Afaho Avokoa ireo Gadra Politika Rehetra.

Voasambotra niaraka tamin'ireo olona roa hafa (ganeana iray sy nizeriana iray tsy voalaza anarana ) i Sait Matty. Tsy mazava raha afaka ihany koa ireo roa hafa ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.