Nanangana bilaogy miisa 40 ny IRGC, mpiambina revolisionera Iraniana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Oktobra 2009)

Nanambara ny IRGC (Mpiambina Revolisionera Iraniana) fa bilaogy efapolo mahery no natsangana hiadiana amin'ny fahavalon'ny IRGC ao amin'ny sehatra antserasera. Natao tao an-tanànan'i Arak, any amin'ny faritany atsimo-andrefana ao Markazi ity hetsika ity.

Natsangana ireo bilaogy vaovao ireo mba hamoahana ny foto-pisainan'ny IRGC ary mikendry ny hanova ny toe-tsain'ny olona. Ankoatra izany, dia natao ireo bilaogy ireo hisoroka ny olana Iraniana amin'izao fotoana izao mba tsy hiadian-kevitra an-tserasera fa hanolo azy ireo amin'ny propagandin'ny governemanta.

Tsara homarihana fa nanambara ny fananganana bilaogy 10.000 ho an'ny vondrotafika milisy Basij ny Mpiambina ny Revolisionera Islamika tamin'ny faran'ny taona 2008 “mba hifehezana ny aterineto sy ireo fitaovana nomerika hafa anisan'izany ny SMS”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.