Nakaton'i Syria indray ny Facebook

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2009)

Fanamarihan'ny mpamoaka: Voasakana matetika tao Syria nandritra ny roa taona lasa ny Facebook; noho izany, tsy marina ny fanambarana fa ho “averina indray” ny fandraràna. Ny lahatsoratra mifandraika amin'ny ‘Al Quds Al Arabi’, izay efa nesorina dia tsy nilaza mihitsy fa nikasa hamerina indray ny fandraràna i Syria. Na izany aza, marina ny vaovao momba ny hetsi-panoheran'ny mpiserasera Syriana. (Miditra amin'ny tambajotra amin'ny fampiasana proxy ny ankamaroan'ireo Syriana mpampiasa Facebook).

Araka ny filazan'ny Al Quds Al Arabi, mikasa ny hamerina indray ny fandraràna ny Facebook i Syria taorian'ny fandraràna voalohany ny tranonkala tambajotra sosialy tamin'ny volana Novambra 2007. Nilatsaka izany taorian'ny namelan'ny Facebook ireo mponina ao amin'ny havoanan'i Golan hanamarika ny firenen'izy ireo ho Isiraely. Hatramin'ny vao haingana, voatery nampiditra an'i Syria ho toy ny tanindrazany ao amin'ny pejiny ny mpisera Facebook ao Golan. Nisy ity fanovana ity taorian'ny fanentanana nokarakarain'ny HonestReporting, fikambanana iray natokana hiarovana an'i Isiraely, ary nanangana ny vondrona Facebook “Facebook, monina ao Israely ny mponin'i Golan fa tsy ao Syria“.”.

Amin'ny lafiny iray, mikasa ny hanao fanentanana fanaovana ankivy ny tranonkala ireo mpikatroka Syriana taorian'ny fankasitrahana ny fitakian'i Isiraely ny havoanan'i Golan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.