Tantara tamin'ny 05 Desambra 2018
Kolombia: Tezitra ny vaomiera Sabaneta noho ireo tsy fanarahan-dalàna tamin'ny fifidianana
Nanao fihetsiketsehana tamin'ny alalan'ny sit-in, diabe milamina, Twitter (#sabanetaindignada) [es], Facebook [es], bilaogy [es], media nomerika [es], YouTube [es] ary taratasy ho an'ny fampahalalam-baovao mahazatra maneho ny hatezeran'izy ireo ny olom-pirenen'i Sabaneta. .
Oman: Fampianarana “fandaniam-potoana”
Tsy mba noraisin'ny mponina ho rafitra ara-drariny noho ny antony samihafa ny rafitra fandraisana ireo mpianatra amin'ny ambaratonga ambony eny amin'ny oniversite any Oman. Ny rafitra fanabeazana teo aloha 'Thanawiyah Ammah' dia voatsikera noho izy mandrisika ny fianarana amin'ny alalan'ny fitadidiana fa tsy mba mampianatra ny tena fomba fianarana
Ny Fomba Fijerin'ny Brunei Times Momba ny Fitorahana Bilaogy ao Brunei
''mihevitra (marina) ireo bilaogera eto an-toerana ho namana ao anatin'ny fifaninanany amin'ny BB ny Times.''
Sakanan'ny fitsarana Sri Lankey vonjimaika ho tsy mahazo miditra ny biraony ny praiminisitra Rajapaksa
Mbola mitohy ny tolona hahazoana amin'ny fomba ofisialy izay ho praiminisitra srilankey ka ny fivoarana farany dia ny fanapahan-kevitra tsy hahazoan'ny PM Rajapaksa miditra ny birao.
Zeorzia/Rosia: Mamahana Mpandroba Sy Mpitsoaponenana
Ry Zeorziana, ampy izay ny ady fanapariahambaovao. Tsiriho avy eny am-baravarankely, hita eto ireo sekoly garabola sy ireo sekoly hipoka mpitsoaponenana. Anatero izay mba azonareo omena izy ireo, ary avy eo mandehana any amin'ny masoivohon'i Rosia. [...]
Myanmar: Ny Antony Ankahalako ny SLORC
Mangataka ny tafika mitondra ankehitriny ao Myanmar handeha any amin'ny helo i Nyein Chan Yar.
Vietnam: Tolokevitra Ara-tsakafo ao Hue
Mitsidika an'i Hue, ilay renivohitr'i Vietnam taloha, i Vietnamese God amin'izao fotoana izao. Manana sary vitsivitsy momba ny sakafo any an-toerana sy tolokevitra mikasika ny trano fisakafoana ilay bilaogera.
Singapaoro: Diwali ao ‘Little India’
Mitsidika ny faritr'i Little India ao Singapaoro i Sparklette mba hijerena ireo lanonana Deepawali.
Indonezia: Fankahalàna Anaty Aterineto
Tsy dia tsara loatra ny fifandraisan'i Indonezia sy i Malaizia tato ho ato noho ny samy filazan'ny roa tonta ho tompon'ireo rakitry ny ela ara-kolontsaina zarainy. Manoratra mikasika ilay fifandirana anaty tambajotra eo amin'ireo mpampiasa aterineto avy amin'ireo firenena roa ireo i Carla.
Indonezia: Hafanana Ateraky ny Amboara Eran-tany & Bilaogin'ny Minisitra
Na dia tsy mahatratra ny dingana farany amin'ny Amboara Erantany amin'ny Baolina Kitra/'Soccer' mihitsy aza i Indonezia taorian'ny fahaleovantenany tamin'ny taona 1945, ny soccer foana no fanatanjahantena malaza indrindra ao amin'ny firenena. Noho izany, nanokana lahatsoratra momba ny Amboara Eran-tany atao any Alemaina ireo bilaogera maro ao an-toerana.