Ny Fomba Fijerin'ny Brunei Times Momba ny Fitorahana Bilaogy ao Brunei

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2006)

- The Brunei Times ( 22 Aogositra 2006)

Voatonona tanatin'ilay gazety Anglisy vaovao, The Brunei Times, ireo bilaogera vitsivitsy tsara vintana, tanatin'ny lahatsoratra iray nosoratan'i Amirul Azuan. Avy aminà sokajy maro, miainga any amin'ny matotra indrindra mankany amin'ny tsy dia misy lanjany ireo bilaogy voatonona ireo.

Ny zavatra tena lehibe indrindra dia ny fandefasan'ilay gazety hafatra goavana, tanatin'ny tenin'ny namana iray: ”mihevitra (marina) ireo bilaogera eto an-toerana ho namana ao anatin'ny fifaninanany amin'ny BB ny Times.”

Tamin'ny lasa, naneho ny fanebahany mibaribary ny sehatra fitoraham-bilaogy ao Brunei ny BB na ny Borneo Bulletin (rohy maty), izay vao haingana no nijanona ho tsy gazety Anglisy tokana intsony tao Brunei.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.