
Sary avy amin'ny pejy Facebook an'i Groundviews. Nampiasaina avy amin'ny fifanarahana fifampizarana votoaty.
Niditra dingana vaovao ny adim-pahefana eo amin'ny praiminisitra voaongana Wickremesinghe sy ny praiminisitra vao notendrena Rajapaksa. Tamin'ny 3 Desambra 2018, namoaka didy vonjimaika manery an'i Rajapaska tsy ho ao amin'ny birao maha-praiminisitra azy ny Fitsarana Ambony Sri Lankey, mandra-pandrenesana ny fanangonan-tsonia mihaika ny fanendrena azy.
Nankany amin'ny fitsarana ny praiminisitra voaongana Ranil Wickremasinghe sy parlemantera hafa miisa 121 tamin'ny volana lasa hitady taratasy ara-pitsarana Quo Warranto izay mitaky amin'i Rajapaksa hampiseho hoe fahefana inona no nanome alalana azy hiasa ao amin'ny biraon'ny praiminisitra. Nanambara ry zareo fa tsy manana fahefana hitazona ny birao i Mahinda Rajapaksa na dia eo aza ny zava-misy nitsipahan'ny filoha Maithripala Sirisena indroa miantoana ny fitsipaham-pitokisana an'i Rajapaksa.
The Appeal Court issues an interim injunction restraining PM Mahinda Rajapaksa & the Cabinet functioning until the petition is heard.Also issues notices for the 49 member Cabinet, including PM,to appear before courts on Dec.12 for the hearing of petition#ConsititutionalCrisisLK
— Kishani Samaraweera (@imsweetpotato) December 3, 2018
Namoaka didy vonjimaika ny Fitsarana Ambony manery ny PM Mahinda Rajapaksa sy ny kabinetrany tsy hiasa mandra-pandrenesana ny fanangonan-tsonia. Nivoaka ihany koa ny fanamarihana ho an'ny 49 mpikambana ao amin'ny kabinetra, ary tafiditra amin'izany ny PM hiseho eo anoloan'ny fitsarana amin'ny 12 des mba hohenoina amin'ilay fanangonan-tsonia.
#Srilanka: The damage that may be caused by temporarily restraining a lawful cabinet from functioning would in all probability be outweighed by the damage caused by allowing a set of persons not entitled in law to function as PM/ministers, said Judge Surasena #lka @the_hindu
— Meera Srinivasan (@Meerasrini) December 3, 2018
Srilanka: Kely kokoa ny mety ho fahapotehana vokatry ny fanerena kabinetra iray ara-dalàna tsy hiasa amin'ny lafiny rehetra miohatra amin'ny fahapotehana ateraky ny famelana andian'olona tsy manana ny fahefana araka ny lalàna hiasa ho PM/minisitra, hoy ny mpitsara Surasena
Maro tamin'ireo Sri Lankey no faly tamin'izany didim-pitsarana izany:
What a difference it can make to a country when its courts function, and when they are efficient! ? Biggest victory thanks to #CoupLK : and if they stand right to the end, I would think its worth this struggle & coup. Some shake ups/messes, leads to greater good! #SriLanka #LKA
— Fayaz Mahroof (@fayazmahroof) December 3, 2018
Andray izany fahasamihafana hita amin'ny firenena iray rehefa miasa ny fitsarana, ary mahomby izy ireny Fandresena lehibe indrindra noho ny #CoupLK ary raha mijoro tsara hatramin'ny farany ry zareo, mihevitra aho fa mendrika ity tolona sy ity fanonganam-panjakana ity izany. Mitondra mankany amin'ny tsara kokoa ontsana/mihotakotaka sasany.
The last several weeks has seen a vibrant judiciary in action-not only the higher courts but also the original courts- in public law cases as well as criminal cases. It is a proud moment for all those who value the Rule of Law and the Independence of the Judiciary in our country
— Saliya Pieris (@saliyapieris) December 3, 2018
Nahitana rafi-pitsarana velona tsara – tsy tany amin'ireo fitsarana ambony ihany fa any amin'ireo fitsarana ambaratonga voalohany koa – ny amin'ny amin'ny lalàm-bahoaka sy ny adiheloka bevava tao anatin'ny herinandro maromaro izao. Fotoana mampirehareha izany ho an'ireo rehetra manome lanja ny Fampanjakana ny Lalàna sy ny fahaleovantenan'ny rafi-pitsarana eto amin'ny firenentsika.
Nisioka i Rajapaksa fa eny am-pandehanana ho any amin'ny fitsarana tampony izy hihaika ny didim-pitsarana. Tao amin'ny fanambaràna iray hafa, niantso ihany koa izy ny hanaovana fitsarana alohan'ny fotoana ho kianja ifanandrinana, matoky ny herijikany izy satria noraofiny ny fandresena tamin'ny fifidianam-paritra tamin'ny febroary 2018.
“We do not agree with the decision given by the Appeals Court as Constitutional matters are finally decided by the Supreme Court. We will be filing an appeal tomorrow.” pic.twitter.com/g6im1auDsJ
— Mahinda Rajapaksa (@PresRajapaksa) December 3, 2018
Tsy mitovy hevitra amin'ny didin'ny fatsarana ambony izahay satria ny fitsarana tampony ihany no manapaka amin'ny resaka lalampanorenana. Hangataka fitsarana ambony (kokoa) izahay rahampitso
Nihiaka i Patali Champika Ranawaka, Minisitry ny Megapolis sy ny Fampandrosoana Tandrefana taloha tao Sri Lanka, raha nandre ny antsoin'i Rajapaksa hampanao fifidianana:
Mahinda Rajapaksa need not keep on issuing statements and asking for General Elections to resolve this crisis, which they themselves created. Just resign your Illegitimate Premiership! A five minute job! @PresRajapaksa #lka #srilanka
— Champika Ranawaka (@pcranawaka) December 3, 2018
Tsy mila mamoaka fanambaràna sy mangataka ny hanaovana fifidianana ankapobeny tahaka izany i Mahinda Rajapaksa hamahàna ity krizy ity, izay ry zareo ihany no namboly izany. Mialà fotsiny amin'ny fitarihana tsy ara-dalàna entinao! asa dimy minitra izany!
Raha mbola mandeha moa ny fizotram-pitsarana hanapahan-kevitra amin'izay hitazona any amin'ny farany ny toeran'ny PM, dia mbola manao fihetsikeseham-panoherana kosa ny olom-pirenena:
At Rise Up #Negombo we spoke to a group of young seminarians all under 20 years. We asked them why they came. They had just one answer – “Because of our love for our country”.#RiseUpSL pic.twitter.com/8c5BSZ6h5f
— Rise Up Sri Lanka (@riseupsrilanka) December 3, 2018
Mitsangàna ry Negombo miresaka amin'ny vondrona seminarista tanora mbola latsaky ny 20 taona avokoa izahay. Nanontany azy ireo izahay hoe maninona ry zareo no tonga. Dia valinteny tokana ihany no ananan-dry zareo – “Noho ny fitiavanay ny tanindrazanay”.
Inspiring images of citizen protests coming from #SriLanka as civil society resists unconstitutional power grab by Rajapaksa.
Women march under the rain, unfurling a long saree that becomes a banner with democratic slogans. #CoupLK pic.twitter.com/KSSxSeValf
— Eduardo Gonzalez (@elfjcgc) November 28, 2018
Sary mampisy aingam-panahy avy amin'ny fihetsiketsehan'ny olom-pirenena avy eto Srilanka raha mbola mifahatra amin'ny fanoherana ny fandrombaham-pahefana tsy ara-dalàmpanorenana nataon'i Rajapaska ny firaisamonim-pirenena.
Vehivavy manao diabe anaty orana, mamelatra ny lamba hoany ho fametrahana sora-baventy ahitana tarigetra demaokratika
Raisin'i Rohan Samarajiva ho fifandonan'ny mpanaja lalampanorenana sy ny mpanandratra ny fanjakan'andriana ity krizy ao Sri Lanka ity. Ao amin'ny bilaogy izy manoratra:
It appears that the political elite’s dalliance with Constitutionalism has about run its course, sixty years after Independence. We are reverting to our native Feudalism: not just the ruling family but large swaths of the populace, including opinion leaders and intellectuals.
Hita ho nahavita ny fihazakazahany ireo sangany miray dia amin'ny fanandratana ny lalampanorenana, enimpolo taona taty aorian'ny fahaleovantena. Miverina mankany amin'ny fanjakan'andriana niandohantsika isika, tsy ireo fianakaviana mpitondra ihany fa ny sarambabem-bahoaka amin'ny ankapobeny, tafiditra amin'izany ireo mpitari-kevitra sy manampahaizana.
Sarmini Serasinghe miantso ny Sri Lankey rehetra hitsangana raha tsy te-ho tara loatra.
The time has come for each and every citizen of Sri Lanka, irrespective of social and professional status, to rise in peace and defend the sacred institution of Democracy in our country before it’s too late. It’s our right and moral duty as its citizens.
Tonga ny fotoana ho an'ny olompirenena tsirairay eto Sri Lanka, tsy ijerena sata ara-tsosialy na arak'asa, hitsangana ao anaty fitoniana sy hiaro ny andrim-panjakana masin'ny demaokrasia eto amin'ny firenentsika raha tsy te-ho tara loatra. Zo sy adidintsika amin'ny maha-olompirenena izany
Mandritra izany fotoana izany, efa manomboka mipoitra ny fanontaniana ara-pratika — toy ny hoe ahoana ny ilazana an'i Rajapaksa:
This post indicates the #Sinhala, #Tamil & #English press reportage from 01 – 03 December on reference to the post held by Mahinda Rajapaksa. Several newspapers continued to identify #Rajapaksa as the PM. What do you think? #CoupLK pic.twitter.com/RD7klhQ7C4
— Ethics Eye (@EthicsEye) December 3, 2018
Ity lahatsoratra ity manondro ny fitateram-baovao amin'ny teny Sinhala, Tamil ary Anglisy tamin'ny 01-03 desambra manondro ny toerana tazonin'i Mahinda Rajapaksa. Gazety maro no manondro an'i Rajapaksa ho praiminisitra. Ahoana ny eritreritrao?
After parliament passed a NCM on Nov. 14, on Nov 16, Speaker published an official statement that the motion was passed & the cabinet was dissolved. Is it suitable for newspapers to continue referring to #Rajapaksa as PM? #CoupLK #mediaethicsSL #SinhalaPress pic.twitter.com/2sgSLghQFS
— Ethics Eye (@EthicsEye) November 23, 2018
Rehefa nandany ny NCM ny parlemanta tamin'ny 14 novambra, namoaka fanambarana ofisialy ny mpitondrateny fa lany ny fitsipaham-pitokisana ary foana ny kabinetra. Mbola mety amin'ny gazety ve ny manondro an'i Rajapaksa ho PM?