05 Desambra 2018

Tantara tamin'ny 05 Desambra 2018

Tet (Taombaovao) any Viet Nam

  05 Desambra 2018

Fety nentim-paharazana lehibe indrindra ny Tet - Taombaovao manaraka ny fihodin'ny volana any Viet Nam - hajain'ny Vietnamiana rehetra, na dia ireo any ivelany aza. Mbola miezaka ny mividy entana nentim-paharazana toy ny voninkazo, zavamamy ary kobambary miendrika efamira ho an'ity fety manokana ity ny fianakaviana rehetra ao Viet Nam, na manam-bola na tsia.