Tantara tamin'ny 24 Novambra 2018
Lahatsary: Mihatsara hatrany ny toe-draharaha iainan'ireo tanora pelaka
Natombok'i Dan Savage ho toy ny fomba hanakanana ny tovolahy pelaka tsy hamono tena ny tetikasa It Gets Better, amin'ny alàlan'ny lahatsary manazava ny mety ho fiainan'ny olon-dehibe pelaka: tsara kokoa. Ary avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao, mizara ny tantarany ihany koa ny olon-kafa.
Singapaoro, Malezia: Mahathir Mohamad sa i Lee Kuan Yew
Tamin'ny alàlan'ny bilaoginy, dia namaly ny fanehoan-kevitry ny Praiminisitra Singapaoreana teo aloha Lee Kuan Yew ny Praiminisitra Maleziana teo aloha Dr. Mahathir Mohamad mikasika ny fifandraisana ara-poko sy ny 'fanavakavahana ara-politika' any Malezia.
Ao anatin'ny tontolon'ny bilaogy Japoney
(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nanolotra ny fitantarana mivantana momba ny horohorontany tany avaratr'i Japana ireo bilaogera Japoney . Hoy ny bilaogera Japoney iray:...
Pakistan: Fandamahana ny sivilizasiona
Taitra tamin'ny vaovao ny Pakistaney fa nampiasaina tamin'ny fanafihana nahafatesana olona 19 tany Karachi andro vitsy lasa izay ny baomba milanja 1 000 kilao mahery.
Pakistana: Karatra mandiso fanantenana
Noresahana betsaka ny tantaran'ny tsy fahaizana mitantana ireo fanomezana nangonina ho an'ny fanampiana ireo tra-boina ny tondra-drano tany Pakistana. Tsy izay ihany, fa nampametra-panontaniana ihany koa ny fomba fizarana ireo fanampiana sy ny fampiasana ireo vola tamin'ny tanjona hafa.
Akon'ny tontolon'ny bilaogy Toniziana – 2006
Natao tamin'ny alatsinainy lasa teo tao amin'ny toeram-pisotroana kafe/toeram-pisakafoanana Latina ny fihaonan'ny bilaogera Toniziana faha-11. Tsara ny fandraisana anjara tamin'ity fihaonana ity izay nahitana olona 18. Ny fihaonana manaraka dia tokony hatao any amin'iny tangoron-tendrombohitra Zaghouan.
Ireo bilaogera nanohitra ny fanakorontanan'ny mpandroba tamin'ny 1 Mey
(Lahatsoratra tamin'ny mey 2006) Mankalaza ny voalohany Mey isan-taona ny Foiben'ny Vondron'ny Mpiasa (CUT), manerana ny tanàndehibe ao amin'ny firenena. Tao Santiago, nanomboka vao maraina niaraka tamin'ireo mpiasa rehetra ny...