Pakistan: Fandamahana ny sivilizasiona

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2010)

Fipoahana baomba tany Karachi. Sary hosodoko nampidirin'ny ilay mpisera Flickr Dr. S Ali Wasif. CC BY-NC-ND.

Taitra tamin'ny vaovao ny Pakistaney fa nampiasaina tamin'ny fanafihana nahafatesana olona 19 tany Karachi andro vitsy lasa izay ny baomba milanja 1 000 kilao mahery.

Voalaza fa nataon'ny Taliban Pakistaney ity fanafihana baomba mahafaty tao amin'ny Faritra Mena ambony fiarovana tao Karachi ity. Natao hikendrena ireo faritry ny polisy, Departemanta misahana ny fanadihadiana heloka bevava eo akaikin'ny foiben'ny praiminisitra vonjimaika, Sindh, manoloana ny trano fandraisam-bahiny Sheraton any atsimon'ny tanàna ity fanafihana ity.

Nahitana ireo mpikatroka ambony izay nanampy tao amin'ny faritry ny CID tamin'ireo olona 115 naratra tamin'ny fipoahana. Nafindra any amin'ny toerana tsy fantatra izy ireo ankehitriny.

S. Raza Hassan nanambara tamin'ny tatitra tao amin'ny Dawn News mikasika izay hitan'ireo nanatri-maso ny loza:

‘The blast left a crater over 15 feet deep and 30 feet across. “I ran for safety inside the offices after hearing what appeared to be a shootout between two sides. It lasted 10 to 15 minutes, during which a small explosion also took place, and was followed by a massive blast”.

‘Namela kilavaka maherin'ny 4.5 metatra halalina sy 9 metatra ny savaivony ny fipoahana. “Nihazakazaka hiaro tena tao anatin'ny birao aho rehefa nandre izay toa tifitifitra teo amin'ny roa tonta. Naharitra 10 ka hatramin'ny 15 minitra izany, izay nisy fipoahana kely ihany koa, ary narahana fipoahana goavana “.

Goavana ny fahasimbana nateraky ny fipoahana. Nanozongozona trano, namaky solomaso sy nandrava ny fahatsapana fiarovana teo amin'ny olona izany. Ny zava-mampalahelo dia lasa zavatra mahazatra tsy maintsy iainan'ny Pakistaney izany.

Imran Khan, mpitati-baovao monina ao Doha nanoratra tao amin'ny bilaogy Al-Jazeera:

“The scene was a gruesome reminder that Pakistan teeters on the edge of collapse, perhaps saved only by the extraordinary resilience of its citizens.

Resilience that seems to be turning to acceptance. Acceptance that bombings are now part of the country's every day.”

“Fampahatsiahivana mampivarahontsana ny zava-nitranga fa eo am-bavam-pirodanana i Pakistana, mety ho voavonjy noho ny faharetana tsy mampino eo amin'ny olom-pireneny.

Faharetana izay toa mitodika any amin'ny fanekena. Fanekena fa anisan'ny andavanandron'ny firenena ny fipoahana “.

Kalsoom ao amin'ny Chup: Changing Up Pakistan nanampy hevitra manokana manery antsika hisaintsaina mihoatra noho izay efa henontsika amin'ny vaovao:

‘Again, if the CID conducted arrests of high-profile militants yesterday, we have to think that the logistics that would go into such an attack in a highly fortified area would be pretty extensive, if it was indeed motivated by those arrests. Therefore, the attacks were either connected indirectly to the arrests and/or had been planned beforehand, OR the Taliban wasn’t directly responsible for the logistics, but it relied on groups… who have more extensive networks in urban areas, to carry it out.’

‘Raha mbola nanohy nisambotra ireo mpikatroka ambony ny CID omaly, tsy maintsy mieritreritra isika fa mety ho goavambe ny fampitaovana mety nahatonga ny fanafihana toy izany ao amin'ny faritra iray matanjaka be, raha tena ireo fisamborana ireo no antony nahatonga izany. Noho izany, na ny fanafihana nisy ifandraisany ankolaka tamin'ny fisamborana / na efa nomanina mialoha, NA tsy tompon'andraikitra mivantana tamin'ny fampitaovana ny Taliban, fa niankina tamin'ny vondrona maromaro… izay manana tambajotra marobe any an-drenivohitra mba hanatanteraka izany . ‘

Mendri-piderana ny faharetana nasehon'ny mponin'i Karachi. Mbola eo am-panarenana ny ady nataon'ny jiolahy sy ny famonoan'olona kendrena vao haingana ireo olona ireo ary mbola manohy ny fiainany tahaka ny andro iray hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.