Ao anatin'ny tontolon'ny bilaogy Japoney

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanolotra ny fitantarana mivantana momba ny horohorontany tany avaratr'i Japana ireo bilaogera Japoney .

Hoy ny bilaogera Japoney iray:

The fridge door swung open, the goldfish bowl fell off the shelf, and it was just a terrible situation inside the house…There have been a lot of earthquakes here in recent years, which makes me a little worried. And it shook for such a long time…

Nitanilanila ny varavaran'ny vata fampangatsiahana, nianjera ny tavoahangy nisy ny trondro mena, ary tena nisahotaka ny zava-nitranga tao an-trano … Nisy horohorontany maro nitranga teto tao anatin'ireo taona faramparany, ka nahatonga ahy somary niahiahy . Ary naharitra ny fihozongozon'izany.

Takafumi Horie, lehiben'i Livedoor, 32 taona, izay nanolotra ny fitaovana famahanana bilaogy malaza indrindra tao Japana, dia nanao fanentanana ho an'ny Antoko Demaokraty Liberaly eo amin'ny fitondrana ho kandidà kintana amin'ny fifidianana parlemantera, izay natao ny 11 Septambra 2005. Nahazo diplaoma tao amin'ny Onivesiten'i Tokyo i Horie ary naniry ny hifaninana tamin'ilay olo-malaza Shizuka Kamei izay andrarezin'ny LDP teo aloha ary nesorina tao amin'ny antoko noho ny fanoherana ny volavolan-dalànan'ny Praiministra Junichiro Koizumi  momba ny fanavaozana ny paositra.

Fanavaozam-baovao: Kandidà tsy miankina i Horie.

Ankoatra ny fanolorana ny fandefasana DVD fitondra an-tanana maimaim-poana ho an'ny bilaogera vaovao (izay hatramin'ny 30 Septambra 2005 ihany, fa nisy ny famerana sasany !) dia nikarakara fifaninanana isam-bolana ho an'ireo bilaogy Japoney miisa roapolo malaza be indrindra ny Ameba Blog, ary ny loka dia teo anelanelan'ny 5.000 yen (eo amin'ny 45 dolara ) sy 100.000 yen (900 $ ). Ny isan'ny jeri-pejy no nijerena taratra ireo bilaogy malaza.

Nahazo vola mitentina 5.000 yen teo amin'ny toerana faha-12 ny bilaogy Japan's Outrageous Asian Neighbours, izay nasongadina tato amin'ny Global Voices. Ny bilaogy momba ny fiantsenana sy ny olo-malaza no anisan'ireo nahazo ny vola mitentina 10.000 yen, raha nahazo ny loka mitentina 30.000 yen kosa ny bilaogy natokana ho an'ny lalao flash sy ny zavatra hafa.

Nahazo vola mitentina 100.000 yen ny bilaogy voalohany ho an'ny volana Jolay, ary azo adika tsotra hoe Manana bibibe ho an'ny vady aho! ny lohateniny. Nitantara ny fiainan'ny bilaogera iray nijaly niaraka tamin'ny vadiny ny bilaogy, izay nanasongadina ny asakanton'ny sariitatra . Mampihomehy ny feon'izy ity, ary tena nanohina ny mpamaky azy ilay bilaogy ka lasa navadika ho andian-tantara manga sy ho fandaharana tamin'ny fahitalavitra tao amin'ny Fuji Television, izay tambajotra mifandray akaiky amin'i Livedoor.

Matetika hita miara-miasa ny Livedoor sy ny Cyberagent, ilay orinasa lohan'ny Ameblog.

Nisy ihany koa ny fikasana hamadihana ny “Manana bibibe ho an'ny vady aho!” ho horonan-tsarimihetsika amin'ny hoavy .

Mazava ho azy fa ny Ameba Books, fanontam-pirinty ao amin'ny Ameblog, dia tsy nandany fotoana firy tamin'ny famoahana ny boky roa sosona ho an'ny “Manana bibibe ho an'ny vady aho!” , izay samy azo vidiana ao amin'ny Amazon avokoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.