06 Septambra 2018

Tantara tamin'ny 06 Septambra 2018

Rakotra marijuana ny lalana mankany amin'ny fahaleovantena

Ny Tetezana - The Bridge

Tsara toerana ny governemantan'i Trinidad sy Tobago mba hitrandraka ny fahaiza-manaony lehibe ara-teknika sy ara- fotodrafitrasa ao amin'ity firenena mpamokatra solika sy etona ity mba ho lasa mpitarika sy mpiantsehatra goavana eo amin'ny  indostrian'ny cannabis sy ny rongony manerana ny CARICOM

06 Septambra 2018

Mpanoratra nasongadina: Diego Casaes

Nanambintana aho nihaona tamin'i Diego Casaes, mpanoratra nanolo-tena tato amin'ny Global Voices sady mpandika teny avy ao Salvador, Brezila. Ny ankamaroan'ny soratr'i Diego tato amin'ny Global Voices dia nampielezana fanairana momba ny fandrahonana ara-panaovandalàna sy fahafahana an-tserasera Brezila, toy ilay "Volavolan-dalàna Azeredo"

06 Septambra 2018

Kazakhstan: Ireo Vovonana Bilaogy Miha-Voasivana Bebe Kokoa

Ireo blaogy eo amin'ny mail.ru - vavahadin-tserasera rosiana iray malaza amin'ny fampitambaovao, ny fialamboly sy ny imailaka, no faharoa nanjary niharan'ny sivana tao Kazakhstan, taorian'ny LiveJournal. Ny fidirana amin'ireo blaogy irery ihany no sivanina amin'ny alalan'ilay mpandraharaha nasionaly momba ny fifandraisadavitra, miasa tsy misy olana kosa ireo tolotrasa rehetra hafa eo amin'ilay vovonana. Mety ny fidirana amin'ilay faritra natao ho an'ny blaogy raha ampiasàna 'proxy' mba tsy hitononana anarana an'ireo fidirana ny aterineto.

06 Septambra 2018

Kyrgyzstan: Fihetsiketsehana tahaka ny isan-taona

Na dia eo aza ny fitomboana ara-toekarena, ny ady amin'ny kolikoly sy ireo fampanantenana maro hafa mbola tsy notanterahan'ny mpandimby an'i Akaev, Kurmanbek Bakiyev, matetika miaina fihetsiketsehana ara-politika ataon'ny mpanohitra ny firenena

06 Septambra 2018

Torkia am-pitendrena milina: Ny vono olona tao Malatya

Olon-doza vitsivitsy no nankany amin'ny mpanonta baiboly ao an-tanànan'i Malatya, Torkia indray andro. Nahita olona telo tsy manan-tsiny izy ireo: misiônera Kristiana roa sy mpiasa iray. Nofatoran'ireo olon-dratsy ny tanana sy ny tongotr'ireo olona telo ireo no sady nampijaliana, ary avy eo notapahana ny tenda.

06 Septambra 2018

Fijery Avy Any Amin'ny Tandrok'i Afrika Sy Sodàna

I Etiopia no iray tamin'ireo firenena Afrikana efatra monja tsy voazanaky ny fitondrana Eoropeana mihitsy. Na dia mahaleotena aza, niharan'ny fibodoana nataon'ny Italiana i Etiopia tamin'ny taona 1936 hatramin'ny taona 1941. mamerina amintsika indray ny tantara ny ethiopundit - 110 taona lasa izay - tamin'ny Adin'i Adwa, izay nandresen'ny hery Etiopiana an'ireo Italiana mpanjanaka nanana teknolojia avolenta.

06 Septambra 2018

Egypta: Mampiasa ny Twitter ho an'ny fahasalamana tsara kokoa

Azo ampiasaina ve ny Twitter hamonjena ain'olona na hanatsarana ny fahasalamany? I Tarek Amr dia manao topi-maso ny kaonty Twitter izay tantanan'ny mpivady iray ao Egypta, mikendry ny hampitombo ny fanentanana ara-pahasalamana eo amin'ny fiarahamonina, izay matetika mahakasika ny lohahevitry ny zava-pady, toy ny fanabeazana ara-pananahana.

06 Septambra 2018