Egypta: Mampiasa ny Twitter ho an'ny fahasalamana tsara kokoa

(Marihina fa tamin'ny 13 Desambra 2011 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Azo ampiasaina ve ny Twitter mba hamonjena ain'olona na hanatsarana ny fahasalamany? Nandritra ny fifandonana nitranga tao amin'ny Kianja Tahrir tany Egypta , nisy kaonty Twitter (@TahrirSupplies) noforonina mba handaminana ny fizarana ny fitaovam-pitsaboana any amin'ireo toeram-pitsaboana natsangan'ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao an-toerana sy nanodidina ny kianja, ary koa hizarana ny sakafo sy ny zavatra hafa nilaina tao an-toerana. Ny Healthy Egypt Tips kosa tetsy ankilan'izany, dia nanana hetsika hafa avy amin'ireo vondrona mpilatsaka an-tsitrapo izay nanomboka ny kaonty Twitter (@HealthyEgypt) tamin'ny volana Aogositra 2011 mba hanaparitahana ny toro-hevitra momba ny fahasalamana tany Egypta.

Ity ny iray tamin'ireo torohevitr'izy ireo:

@HealthyEgypt: A few miniature servings of coffee at intervals works better than one large mug to keep you alert and focused.

@HealthyEgypt: Tsara kokoa ny kafe kelikely mielanelana noho ny kafe eran'ny kaopy lehibe iray mba hahamailo sy hifantohana.

Namaly ny fanontanian'olona ihany koa izy ireo, nanampy ireo fandraisana an-tanan'ny tsirairay, ary nampahafantatra ny momba ny fanabeazana ara-pananahana ihany koa izay fanontaniana  maha-menatra ao an-toerana noho ny kolontsaina  .

Iza ianareo ary azonareo lazaina bebe kokoa anay ve ny mikasika ny hetsika ataonareo.

We are a group of volunteers, it started as my wife Iman Ismail and myself Kareem Mossad, then we added a doctor friend who is Dr. Ahmed Ibrahim

Vondrona mpilatsaka an-tsitrapo izahay, nanomboka izany ny vadiko Iman Ismail sy ny tenako Kareem Mossad, ary avy eo dia nanampy namana dokotera iray izahay Dr. Ahmed Ibrahim

Voasoratra ao amin'ny mombamomba anareo fa mizara vaovao azo antoka sy voamarina 100% ianareo. Noho izany dia mila manontany anareo izahay hoe: Dokotera ve ianareo? Ahoana no fomba ahazoanareo torohevitra ara-pahasalamana, manamarina izany, ary mamaly ny fanontanian'ny olona?

My wife and I are health activists and enthusiasts. We are not doctors yet we've been in community service for quite a while. We have one code of conduct as that for any medical information we provide to our followers, is that we need to double check it, by checking more than once source for credible well known health websites, or verify with “Ahmed Ibrahim” who is the third person (doctor) helping in this initiative.

Mpikatroka sy mafàna fo momba ny fahasalamana izaho sy ny vadiko. Tsy mpitsabo izahay kanefa efa niasa tao amin'ny sampan-draharaha misahana ny fahasalaman'ny vondrom-piarahamonina nandritra ny fotoana vitsivitsy. Manana fitsipi-pitondrana izahay, momba ny torohevitra ara-pahasalamana omenay ny mpanjohy anay, ary tsy maintsy  manamarina izany indroa, amin'ny alàlan'ny fanamarinana ny loharanom-baovao imbetsaka ao amin'ny tranonkalan'ny fahasalamana malaza, na manamarina izany miaraka amin'i “Ahmed Ibrahim” izay olona fahatelo (dokotera) manampy anay amin'ity hetsika ity.

Moa ve ny kaonty tohanan'ny orinasa ara-barotra na FTMF=ONG? Voamariko ohatra fa indraindray ianareo miresaka anarana marika. Misy hifandraisany amin'izy ireny ve ianareo?

We're not officially sponsored by any commercial or NGO yet. However, we've received a couple of proposals, but we weren't ready for that step yet.

Tsy mbola manana mpanohana ara-barotra na FTMF=ONG aloha izahay. Na izany aza, nahazo tolo-kevitra roa izahay, saingy tsy mbola vonona amin'izany dingana izany izahay.

Hafiriana izay no nanaovanareo fanentanana an-tserasera? Manana fikasana ny hanokatra kaonty hafa ankoatra ny Twitter ve ianareo, toy ny Facebook, bilaogy, sns ?

We started in August, around mid-Ramadan, and the followers response was pretty impressive, we bought “www.healthyegypt.org and www.healthyegypt.net“, and we're currently in the programming phase for our website so we can launch soon.

Nanomboka tamin'ny volana Aogositra izahay, tany amin'ny tapaky ny volana Ramadany tany ho any, ary tena nanaitra ny valintenin'ny mpanjohy, novidianay ny “www.healthyegypt.org sy www.healthyegypt.net”  ary amin'izao fotoana izao izahay dia ao amin'ny dingana fanomanana fandaharana ho an'ny tranonkalanay mba hahafahanay manomboka tsy ho ela.

Voamarikay ihany koa fa amin'ny teny Anglisy ihany ianareo no misioka? Moa ve ianareo mikasa ny hisioka amin'ny teny Arabo? Tsy mihevitra ve ianareo fa mametra ny mpihaino anareo eto Egypta ny teny Anglisy ?

You're absolutely right, we do tweet in Arabic sometimes but not regularly, and it’s definitely on our plans with the website which will be in both languages so we can attract more visitors to it.

We are also getting positive feedback via Twitter from people who are expressing how much such information is helping them and raising awareness about untouched issues.

Tena marina izany, misioka amin'ny teny Arabo izahay indraindray fa tsy matetika, ary efa ao anatin'ny fandaharanay mihitsy ny tranonkala ho an'ny fiteny roa mba hahafahanay misarika mpitsidika bebe kokoa.

Mahazo domberina miabo ihany koa izahay amin'ny alàlan'ny Twitter avy amin'ireo olona maneho fa tena nanampy betsaka azy ireo ny torohevitra toy izany ary manentana azy ireo momba ny lohahevitra tsy sahy resahana izahay.

Izany no fomba iray ampiasaina ny Twitter mba hampielezana ny fanentanana ara-pahasalamana eo amin'ny fiarahamonina. Raha mahafantatra tetikasa hafa mifandraika amin'ny fahasalamana amin'ny aterineto ianao, azafady mba ampahafantaro anay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.