Sodàna: Fipoahana tao Khartoum, fitoraham-bato ho faty, mpanao gazety nampijaliana & diplaomasia “ara-mozika” Shinoa

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2007)

Nanatri-maso fivoarana mahaliana  i Sodàna tato anatin'ny herinandro vitsy lasa. Ny vao haingana indrindra dia ny fipoahana kamiao feno bala tao Khartoum, izay nibilaogy momba izany i Mimz:

A little over 24 hours ago a series of extremely boisterous explosions took place in one of the military sites availed for storing ammo, in the Burri area of the capital of Sudan. The explosions occurred in three enormous gunnery-loaded trucks.

So this blast happened a few meters away from the University of Khartoum, students had to evacuate campus and basically run for their lives as they witnessed the thick, heavy black smoke approaching and heard the disturbing loud sounds of explosion.

 24 ora lasa izay, nisy andianà fipoahana goavana nitranga tany amin'ny iray amin'ireo toerana miaramila izay hitehirizana bala, ao amin'ny faritra Burri ao an-drenivohitr'i Sodana. Niseho tao amin'ireo kamiao telo feno fitaovam-piadiana goavana ny fipoahana.

Nitranga metatra vitsy miala ny Oniversiten'i Khartoum ity fipoahana ity, voatery nandao ny toeram-pianarana ny mpianatra ary nitsoaka nihazakazaka hamonjy aina satria nahita  setroka mainty matevina miha-manatona ary naheno fipoahana mafy be.

Toa mahazatra ve izany?, hoy izy nanontany:

I'm sure now that this sounds familiar, doesn't it?
Chaos, chaos, chaos. Should I just pack my bags and leave? It's getting ridiculous.

Azoko antoka fa mahazatra izany, sa tsy izany?
Korontana, korontana, korontana. Tokony hanamboatra ny valiziko ve aho ary hiala? Tena mahatsikaiky izany.

Aoka izay tsy nanota no hitora-bato voalohany

Aperadosini naneho ny fahatezerany tamin'ny didim-pitsarana navoaka ho an'ireo vehivavy Sodaney 2 izay toa meloka noho ny fanitsakitsaham-bady. Samy hotoraham-bato ho faty izy roa ireo:

What's disgusting isn't just the fact that they are being put to death in the most demeaning of manners, however, they haven't even been given the chance to adequately defend themselves. The women, who came from the African Fur tribe in Darfur, did not know Arabic and were not even provided with a translator during court proceedings and so were not given the chance to even defend themselves!!

Ny maharikoriko dia tsy hoe ny famonoana azy ireo ho faty amin'ny fomba maivan-danja indrindra ihany, fa tsy mba nomena fahafahana hiaro tena koa izy ireo. Tsy nahay teny Arabo ireo vehivavy, avy amin'ny foko Fur Afrikana ao Darfur ireo, ary tsy mba nomena mpandika teny nandritra ny fizotry ny fitsarana ary noho izany tsy nomena fahafahana ny hiaro tena mihitsy !!

Fahalalahan- gazety? Lazao indray izany

Etsy ankilany, Black Kush mitondra vaovao momba ilay mpanao gazety fantany manokana izay nampijalian'ny manampahefana Sodaney:

I told you before that I as following the clashes in Khartoum when it happened. Now the journalist who was beaten up was someone I personally know.

…Freedom of the press? Say that again.

Nambarako taminao talohan'izay fa nanaraka ny fifandonana tao Khartoum aho rehefa nitranga izany. Ankehitriny, olona fantatro manokana ilay mpanao gazety voadaroka.

Ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety? Lazao indray izany.

Diplaomasia ara-mozika

Ny farany fa tsy ny kely indrindra, manasongadina ny farany tamin'ireo ezaka nataon'ny Sinoa tamin'ny fananganana fifandraisana akaiky amin'i Sodana i Fluent-Sudani. Nandefa lahatsary YouTube an'ilay mpihira Shinoa mihira ny hiram-pitiavan-tanindrazana Sodaney nentim-paharazana izy:

On the above video, a bunch of Chinese ladies are singing in a festival held in khartoum strengthening relations between Sudan and China.

I give them much credit for language perfection. What they are singing is a traditional Sudan nationalism song.

Ao anatin'ny horonantsary etsy ambony, mihira amin'ny fetibe natao tao Khartoum manamafy ny fifandraisana eo amin'i Sodàna sy Shina ny ankamaroan'ny vehivavy Shinoa.

Manome azy ireo fisaorana betsaka amin'ny fahalavorariana amin'ny fiteny aho. Ny nohirain'izy ireo dia ny hiram-pitiavantanindrazana Sodaney nentim-paharazana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.